Tsy milavo lefona akory ny mpitsabo amin’ny fitakiany na dia rarŕna tsy afa mivory ao amin’ny hopitaly HJRA intsony aza.
Nanamafy izy ireo fa mitohy ny fitokonana mandrapahazo ny fitakiana dia ny elanelan’ny karama noho ny fisondrotana grady nandritra ny 10 volana nanomboka ny martsa 2010 ka hatramin’ny 2010. “Tsy fitakiana vaovao akory io fa ny fampiharana azy no takianay”, hoy ny dokotera Lin, Sekretera jeneralin’ny SMédFM. Marihina fa didim-panjakana no nampisondrotra ny marikaraman’ny mpitsabo, izany hoe tsy maintsy tanterahana. Fanontaniana no apetraky ny sendika amin’ny Ministeran’ny fitantanam-bola raha iniany hadinoana ny fanomezana ilay trosa 10 volana na koa tsy fahaizany ny asany tsotra izao. Araka ny kajikajy natao dia ananan’ny dokotera mpiasam-panjakana 11 tapitrisa Ariary isan’olona ny fitondram-panjakana. Ny 2 tapitrisa Ariary voalohany dia fitambaran’ny 2 hetsy isam-bolana azo noho ny fisondrotan’ny marikarama nandritra ny 10 volana nefa tsy mbola voaray hatramin’izao.
Ny 9 tapitrisa ariary kosa dia tambin-karama omena ny mpitsabo noho ny fanaovana “réquisition” azy ireo nandritra ny herintaona maninjitra nanomboka ny 22 novambra 2010 ka hatramin’ny 22 novambra 2011. Dokotera mpiasam-panjakana miisa 120 tao amin’ny HJRB Befelatanana sy 130 tao amin’ny HJRA Ampefiloha no tratran’io fanerena miasa noraisin’ny Minisitry ny fahasalamana teo aloha Rajaonarison Pascal io. Noho izay fanerena miasa izay dia mahazo 28.000 Ariary isan’andro isan’olona izy ireo ka rehefa atambatra ireo dia manome eo amin’ny 9 tapitrisa Ariary eo ho eo nandritra ny 12 volana. Tsy mbola azo koa anefa ireo hatramin’izao. Misy koa “réquisition” faharoa navoakan’ny Minisitra ankehitriny ireo dokotera nitokona ny 18 jolay 2012. Ho azy ireo anefa dia tsy manankery iny satria tsy mbola novalian’ny filankevi-panjakana ny fitoriana napetraky ny SISFM sy ny SMédFM momba azy. Tsy manaiky lembenana ny dokotera eo anatrehan’ireo endrika antsojay samihafa, indrindra fa efa mitatao sahady koa ny fanapahana karama. Mampitandrina noho izany ny SMédFM sao dia ho lasa lavitra ity raharaha ity.
Yves
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.