Miharatsy hatrany ny toe-draharaha eo anivon’ny asa fitsaboana eto amintsika.
Hiditra amin’ny fampiatoana ny asa anio sy rahampitso indray mantsy ry zareo dokotera raha tsy voavaha hatramin’ny misasakalina teo ny fitakiany. Nomen’ny birao nasionalin’ny SMÉDFM hanatanteraka io baiko io ireo mpitsabo sendikalista rehetra manerana ny Nosy. “Ampahafantaro ny lehibenareo ity baiko ity dia mandehana mitokona avy eo. Avelao ny lehiben’ny hopitaly sy ny Médecin inspecteur irery no hiasa ao”, hoy ny fanentanana nataon’ny SMÉDFM, omaly. Raha nanazava ny antony nahatonga izao fanapahan-kevitra izao ny dokotera Ndatason Fréderic , filohan’ny sendika dia nilaza fa tena fandrirarirana no ataon’ny fitondram-panjakana ahitana ny fiadidiana ny FAT, ny fiadidiana ny praiminisitra, ny ministeran’ny fahasalamana, ny vola ary ny asam-panjakana. “Efa tamin’ny 12 jona no vita ny asan’ny komity manokana, izany hoe efa filankevitry ny minisitra 4 no natao fa tsy mbola misy resaka mihitsy ny fanatanterahana izay hevitra novolavolain’io komity io. Tsy firaharahaina anay mihitsy izany”, araka ny fanehoan-kevitry ny dokotera Ndatason Fréderic hatrany.
Ankoatra ilay ambin-karama 10 volana tamin’ny 2010 noho ny fahazoana marikarama vaovao dia takian’ireo mpitsabo koa ny hanomezana ireo tambinkarama mifandraika amin’ny asa fitsaboana manokana. Nanova paikady moa ry zareo ireto amin’ny alalan’ny fitetezana ireo toeram-piasana eto an-drenivohitra nanomboka tao amin’ny IHS Soarano nakany amin’ny hopitalin-jaza Tsaralalàna ary nifarana teny amin’ny HJRA. Izany no atao dia hanentanana izay mbola miasa sy hanehoana hery koa. Ao amin’ny ministera ao Ambohidahy indray ry zareo no manao fitokonana anio.
Yves
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.