Actualités

Dokotera mpanasitrana an !


  • Alatsinainy 11 Jolay 2016

Ataon`ny anay ….ha ha ha ! Tehaka aloha ry Jean a ! Dia nanora-tena ho dokotera mpanasitrana indray ise an !


 Hilahatra hankeny amin`ise indray izany ny marary rehetra, fa ise izany dia manome antoka na garantie fa tena manasitrana an ! Sahy ihany ise ry Jean amin`izany teny tsy dia voahevitra loatra notenenin`ise izany an. Andriamanitra irery aminay aloha hatreto no mpanasitrana ary azo antoka amin`ny tena fanasitranana fa ny hafa rehetra dia mitsabo ihany, manala fanaintainana, mampitony ny aretina. Ise izany no hanasitrana ny fisondrotry ny vidim-piainana amin`ny lafiny rehetra, saram-pitaterana, vidin-jiro sy rano, ny tsy fandriampahalemana, kolikoly … Koa tandremo ary sao hidian`ise indray ny varavarana ato ho ato na koa ataon`ise ho an`ny Havana Voky Mananasy ihany ny fanasitranana fa tsy ho an`ny rehetra an ! Dia miandry indray ary izahay ry Jean ary mino sy manantena fa tsy hampiesonin`ise intsony toy izay lasa izay an.

Marco

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Tanànan'Antananarivo Renivohitra
  • Alatsinainy 02 Novambra 2026

Mila fanapahan-kevitra politika

  • AMBOHIDRAPETO
  • Alatsinainy 02 Novambra 2026

ATSIMONDRANO

  • Tale
  • Zoma 30 Oktobra 2026

mpanatanteraky ny ONTM

  • Taorian’ny
  • Zoma 30 Oktobra 2026

fandevenana an-janany

  • Creative Minds
  • Zoma 30 Oktobra 2026

Madagascar andiany faha-3

  • CENTRE
  • Zoma 30 Oktobra 2026

SEMBANA MIJORO

Hijery ny tohiny
FTT