Actualités

Dokotera Mitana ny ministry ny fahasalamana amin’ny teniny


  • Alatsinainy 28 Febroary 2011

Toy ireo mpampianatra mpikaroka dia sasa-miandry ny fanomezana azy ireo ny tombontsoa mifandraika amin’ny asany koa ny mpitsabo Malagasy.

Raha tsiahivina dia nanao fitokonana mahery vaika nandritra ny herinandro maro ireo dokotera tamin’ny taon-dasa izay nitaky ny fampitoviana laharana azy amin’ny administratera sivily. Henjana ny fifandirana tamin’ny ekipan’ny ministra tamin’izany satria tsy nanaiky nandray ny asany mihitsy ireo mpitokona raha nandrahona hisambotra sy hanapaka karama kosa ny fanjakana. Nilefitra ihany anefa ny profesora Tehendrazanarivelo Alain izay tomponandraikitra voalohany nisahana ny fahasalamam-bahoaka rehefa ela ny ela. Nekeny ny fanatsarana ny marikaraman’ny mpitsabo izay mampitovy azy amin’ny administratera sivily.

Lasa 1600 ny “point d’indice” ho an’ireo mpitsabo mpiana-draharaha ary nisondrotra araka izay avy ireo sokajy samihafa rehetra. Ny volana janoary lasa teo no nihatra ity marikarama vaovao ity ho an’ny mpitsabo. Raha ny tokony ho izy dia mandray avy hatrany ireo tombontsoa isan-tsokajiny koa izy ireo saingy tsy misy tokotaniny izany hatramin’izao ankoatra ny “indemnité de sujestion “ mitentina 40.000 ariary izay raisina isam-bolana. Tsy mbola misy voaray ny “indemnité d’entretien” sy ny “indemnité de logement” iray hetsy ariary avy ary ny “indemnité de transport” 6 alina ariary. Marihina fa 14000 ariary ny “indemnité de logement” raisin’ny mpitsabo isam-bolana. Saika hanao hetsika indray ireo mpitsabo ny faramparan’ny taona 2010 saingy tratry ny fandrahonana izy ireo. Nahazo fangataham-panazavana ireo mpitarika ny hetsika efatra mirahalahy teo anivon’ny hopitaly Befelatanana miampy roa lahy hafa teny Avaradrano.

Nanaovana “requisition” na terena hiasa koa anefa ny ankamaroan’ireo mpitsabo tao Befelatanana. Nandritra ny lanonana fifampiarahabana nahatratra ny taona vaovao teo amin’ny ministeran’ny fahasalamana dia nanome toky ny ministra fa haloa mitambatra amin’ny faran’ny volana martsa izao avokoa ireo tambikarama rehetra tsy voaray. Milaza ny hitana ny ministra amin’ny teniny ireo mpitsabo, araka izany, kanefa misy koa ny miahiahy sao ho lasan-ko vavany izany fampanantenana izany satria tsy mbola azo antoka hatreto fa voatazona amin’ny toerany izy sy ny ekipany.

Yves

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Fanorenana ny
  • Alatsinainy 04 Mey 2026

fandriampahalemana

  • Depiote Naivo Raholdina
  • Alatsinainy 04 Mey 2026

Voasambotry ny mpitandro ny filaminana…

  • Fanelezana vaovao
  • Alatsinainy 04 Mey 2026

tsy marina, heloka an’habaka

  • Livasoa Randriatahinamalala
  • Alatsinainy 04 Mey 2026

"Depiote miteny aho fa tsy depiote mihinana"

  • FAHALALAN'NY ASA
  • Alatsinainy 04 Mey 2026

FANAOVAN-GAZETY

  • ZAVA-PISOTRO
  • Alatsinainy 04 Mey 2026

MAMPATANJAKA VAOVAO

Hijery ny tohiny
FTT