20 taona nanaovana didim-poitra faobe ankehitriny ny dokotera Dimbisoa Mamy Andriamahafaly.
Tsy nitsahatra mihitsy tamin’ny fanaovana io asa sosialy fanasoavana ny mpiara-belona io ny tenany hatramin’ny taona 1996, araka ny fanazavany. Tsy tokony hafangaro rahateo ny fanaovana politika sy ny fitsinjovana ny sosialim-bahoaka izay antony iray tsy mampandroso ny firenena Malagasy, hoy ity mpikambana ao amin’ny filankevitry ny tanàna ao amin’ny kaominina Ivato ity. Feno hatrany ny fandaharam-potoanany rehefa tonga ny vanim-potoanan’ny ririnina tahaka izao. Nisantarany ny hasoavana faobe moa tamin’ity taona ity ny sabotsy 11 jona teo ny tao amin’ny Fjkm Ankadindravola. Hitohy ny sabotsy 18 jona ny asa soa izay hiarahana miasa amin’ny kaominina Ivato handidiana zazalahikely miisa 100. Hitety toerana maro tahaka ny any Ampanotokana Iarinarivo ny 25 jona hatramin’ny faran’ny volana aogositra 2016. Ezahina hatrany ny hahatratra ilay tanjona 1.000. Efa fitsinjovana ny ray aman-dreny rahateo ny tsy fitadiavana ilay saram-pandidiana manodidina ny 5 alina ariary ankehitriny, hoy ny dokotera mpandidy mpikambana ao amin’ny «Association des jeunes médecins de Madagascar».
Ramano F.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.