Actualités

Doany Anorohoro Tsy nisy ny fanimbazimbana, hoy ny Apokalipsy


  • Alarobia 18 Jolay 2012

Nandefa iraka nanao fanadihadiana momba ny raharaha fanimbazimbana doany tao Anorohoro Amparafaravola niseho ny 10 jolay 2012 ka mahavoarohirohy pasitera iray ao amin’ny fikambanana Apokalipsy (FAM) ny komity pastoraly ao aminy.

 Araka ny tatitra nataon’ny pastera Rakotonirina Alpha, filoha lefitr’io komity io izay tany an-toerana dia tsy nisy ny fanapotehana na koa fanimbazimbana ny doany ao Anorohoroho nataon’ilay pasitera Apokalipsy voampanga. “Raha nandalo teo amin’io doany io ilay pasitera niaraka tamin’ny rangahy iray sy ramatoa vadiny izay marary saina dia nihetsika tampoka ny aretin’ity farany ka nihazakazaka nikasa niditra tao izy. Nohenjehan’ilay vadiny sy pasitera izy ary tratra teo an-tokotany satria mifefy ny toerana. Tsy niditra tao amin’ny doany izy ireo. Tazan’ny Tangalamena mpiambina ity doany ity avy lavitra anefa ny zava-nitranga. Tsy nanaiky ny tenany fa nitondra ny raharaha tany amin’ny Kaominina Anorohoro”, hoy ny fitantaran’ny pastera Rakotonirina Alpha. Nohamafisiny fa tsy nahy no nahatafiditra tao amin’ny tokotanin’ilay doany fa tsy niniana velively. Nanenjehena azy telo kosa ny fandikana ny fomba fanao amin’ny doany izay tsy azo itondrana akanjo, pataloha ary kapa ka noterena handoa dina, lelavola mitentina 4 hetsy sy 1 tapitrisa Ariary.

Nanaiky izay fandaminana izay ireo voampanga tsy hisian’ny savorovoro saingy nisy andian’olona efa niandry teo anoloan’ny Kaominina nanizingizina fa omby telo no setrin’ny fanimbazimbana ny doany araka ny dina. Tsy nanaiky hatramin’ny farany ireo andian’olona ireo ka nitora-bato. Voatery niafina tao amin’ny biraon’ny Kaominina izy 3 noho izany niaraka tamin’ny Ben’ny tanàna sy ny lehiben’ny Distrika. Potika ny biraon’ny Kaominina noho ilay tora-bato. Milaza hitory noho ny fahasimban’ny fananam-panjakana ny Ben’ny tanàna raha ny fanazavan’io iraky ny FAM io ihany. Tsy mbola voaloa kosa ny dina raha ny zoma 13 jolay teo no fotoana nifanomezana satria tsy tonga naka azy ilay Tangalamena, tsy nanatitra koa anefa ilay pasitera sy izy mivady niaraka taminy. Andrasana ny tohiny.

Yves

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Sekertera jeneraly
  • Alakamisy 07 Mey 2026

vaovaon’ny Minisiteran’ny jono

  • Pr Jonah Ratsimbazafy
  • Alakamisy 07 Mey 2026

"Ny fizahantany dia afaka

  • Raharaha ENMG
  • Alakamisy 07 Mey 2026

« Ampiharo ny lalàna ! »

  • Fitrandrahana solika
  • Alakamisy 07 Mey 2026

any amin’ny Plateau Mahafaly

  • ZAZA 5 TAONA
  • Alakamisy 07 Mey 2026

NISY NAMONO TANY MANDRITSARA

  • ANKILILAOKA-RN 9
  • Alakamisy 07 Mey 2026

Sarona ny tambajotra mpitrandraka hazo tsy ara-dalana

Hijery ny tohiny
FTT