Actualités

Distrikan’ny Vohemar Ho tsaraina anio ilay raharaha fanapahan-doha zazavavy


  • Talata 07 Jona 2022

Tsy mandry fahalemana ny any amin’ny distrikan’i Vohemar. Zazavavy kely vao 8 taona monja no hita faty tao anaty kirihitr’ala ny Sabotsy lasa teo, 05 km atsinanan’ny tananan’ Ambalahasy, fokontany Ampizahamatana.

Efa niala tamin’ny vatany ny lohan’ity zazavavy kely ity raha araka ny fantatra ary niboridana tsy nisy fitafiana intsony ihany koa ny vatany. Ny sefom-pokontany tao an-toerana sendra nandalo raha araka ny fantatra no nahita azy io ka nampandre avy hatrany ny mpitandro ny filaminana. Avy hatrany dia niroso tamin’ny fanadihadiana ireto farany ka tovolahy kely iray vao 13 taona no voarohirohy tamin’izany. Somary manontany tena daholo ihany anefa ny rehetra ny amin’ny fomba nahavitan’ity zazalahy kely iray ity vono olona feno herisetra sy habibiana ity. Mety ho nisy namany izy hoy ny sasany…. Hiakatra fitsarana anio alatsinainy ny raharaha hoy hatrany ny loharanom-baovao voaray.
Nangonin’i Pati
Legende : Tsy mandry fahalemana ny eto Vohemar
(Tahirin-tsary)
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Mahay ny mpianatra Malagasy
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

« Sachet » plastika ho

  • Fiatrehana
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

ny mety ho loza indostrialy

  • Savorovoro
  • Zoma 09 Oktobra 2026

any anaty Minisitera sasany

  • VOVONANA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

TANTANA

  • FITANTANAN
  • Zoma 09 Oktobra 2026

-DRAHARAHAM-PANJAKANA

  • FAKAN-KEVITRA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

NASIONALY HO AN’NY VEHIVAVY

Hijery ny tohiny
FTT