Nisehoana von’olona mahatsiravina tao Ambalanangozy Fokontany Mahabo kely,
Distrikan’i Mahabo ny alahady 03 janoary 2021 alina, tokony ho tamin’ny 12ora sy sasany teo. Mpitsabo amin’ny fomba Malagasy ity lehilahy ity, ka olona nilaza fa hitondra zaza marary tao aminy ihany no nahavanona ny loza mahatsiravina. Nofitahina izany izy io, raha raisina amin’izany, ary raikitra ny fifanjevoana nifofoana ny ainy rehefa tafiditra ireo olon-dratsy. Tsy fantatra mazava kosa ny antony namonoana azy. Fanampim-baovao ihany no nahalalana fa voakapoka ny famaky ny lohany, ary niezaka niaro tena izy, hoy ny mpampita vaovao. Nitondra lefona nanenjika an’ireo olon-dratsy izay nandositra, hoy ny fampitam-baovao. Tsy natohitra an'iretsy farany anefa ny tenany vokatry ny ratra nahazo azy, ary ilay lefona nentiny ihany no namonoan’ireo olon-dratsy azy.
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.