Actualités

Distrikan’Ankazobe Hamokatra herinaratra 64 MW


  • Alakamisy 15 Septambra 2022

Taorian’ny tolo-bidy amin’ny tsenan’asam-panjakana, nankatoavin’ny filankevitry ny minisitra ny firosoana amin’ny fanamboarana tobim-pamokarana angovo miainga amin’ny riandrano (centrale hydroéléctrique)

ao Ranomafana, hanana tanjaka 64MW, avy ao amin’ny Reniranon’Ikopa manandrify ny distrikan’Ankazobe. Tamin’ny 2018 moa no nisy tolo-bidy mikasika azy ity, ka ny orinasa sinoa “Sinohydro Corporation Limited” no nahazo ny tolotra. Ny banky sinoa Exim Bank no mamatsy vola. Nambaran’ny filankevitry ny minisitra kosa, fa ambony loatra ny tanjaky ny angovo notombanana hovokarina miainga amin’io reniranon’Ikopa io, rehefa tena nojerena satria novinavinaina ho 86KW tamin’izany 2018 izany, ka voatery naverina ny fanadihadiana, izay namoaka fa 64KW no heverina fa ho tena azo vokarina. “MW” no voasoratra etsy ambony, ary “KW” ny teo ambany, araka ny endriny ao anatin’ny tatitry ny filankevitry ny minisitra, ka izay no naverina, saingy heverina fa nisy ny fahadisoana, ary ny “MW” no heverina fa mitombona kokoa. Noho izany, mba hialana amin’ny lalàna manan-kery eo amin’ny resaka tsenan’asam-panjakana dia tsy maintsy asiana tovana (avenant) hanovana ny fifanarahana asa tamin’ny Sinohydro Corporation Limited, ary nankatoavin’ny Filankevitry ny minisitra io. Hamatsy mivantana ny tambajotrana herinaratra mamatsy an’Antananarivo sy ireo tafiditra ao anatiny io, raha ny fanamarihana.
Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Mahay ny mpianatra Malagasy
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

« Sachet » plastika ho

  • Fiatrehana
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

ny mety ho loza indostrialy

  • Savorovoro
  • Zoma 09 Oktobra 2026

any anaty Minisitera sasany

  • VOVONANA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

TANTANA

  • FITANTANAN
  • Zoma 09 Oktobra 2026

-DRAHARAHAM-PANJAKANA

  • FAKAN-KEVITRA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

NASIONALY HO AN’NY VEHIVAVY

Hijery ny tohiny
FTT