Actualités

Distrikan’i Moramanga Tena hifety marina, hoy ny depiote Henri Charles


  • Sabotsy 18 Jona 2016

Raha ny fanamarihana ny fahatsiarovana ny tolon’ny maherifo tamin’ny taona 1947 no tena mampalaza ny distrikan’i Moramanga amin’ny ankapobeny dia tsy ho latsa-danja noho izany mihitsy

amin’ity taona 2016 ity ny fankalazana ny faha-56 taona niverenan’ny fahaleovantenam-pirenena fetim-pirenentsika Malagasy any an-toerana, hoy ny depiote voafidy tany amin’iny faritra iny, Randriamahefa Henri Charles. Ankoatra ireo hetsika mahazatra fanao any amin’ny Faritra maro ary hotanterahina any Moramanga koa toy ny matso hataon’ny mpianatra sy mpanao polika sy ny tafika Malagasy (hiavaka ny handraisan’ny FIZAFA  anjara miaraka amin’ny fanamiana miavaka) ary ny fankafizana ny lanonana hatao amin’ny Podium … ary ny afomanga hotontosain’ny fanjakana foibe, dia hojeren’ny antoko FIZAFA tarihako manokana ireo zaza avy amin’ny fianakaviana sahirana hotolorana harendrina manokana sy kilalao samihafa ary sakafo ihany koa. Efa mitsinjo lavitra ihany koa izahay amin’ny fijerena manokana ny tanora amin’ny fanampiana azy ireo amin’ny fitaovana isan-karazany hilainy eo amin’ny sehatry ny fanatanjanantena, ny kianja filaalovana …

Raha atao bango tokana dia azo ambara dieny izao fa tena hifety tokoa ny distrikan’i Moramanga amin’izao fetin’ny 26 jona izao.

Ntsoavina Evariste

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • TanĂ nan'Antananarivo Renivohitra
  • Alatsinainy 02 Novambra 2026

Mila fanapahan-kevitra politika

  • AMBOHIDRAPETO
  • Alatsinainy 02 Novambra 2026

ATSIMONDRANO

  • Tale
  • Zoma 30 Oktobra 2026

mpanatanteraky ny ONTM

  • Taorian’ny
  • Zoma 30 Oktobra 2026

fandevenana an-janany

  • Creative Minds
  • Zoma 30 Oktobra 2026

Madagascar andiany faha-3

  • CENTRE
  • Zoma 30 Oktobra 2026

SEMBANA MIJORO

Hijery ny tohiny
FTT