Nalazalaza ratsy mihitsy ny resaka mosavy sy ody gasy tamin’iny distrikan’i Mandoto iny tao ho ao izay ary tsy resaka honohono fa tena misy tokoa izany.
Ny sabotsy 07 mey 2011 teo ary dia voasambotry ny mpitandro filaminana sy ny Fokonolona ny lahiantitra iray 80 taona mponina tao amin’ny Kaominina Ambary Distrikan’i Mandoto ihany. Raha ny fantatra dia mpimasy raindahiny ity rangahy ity ary ody gasy efatra gony sy iray vata valizy be nilanja 40 kilao mahery, ary boky be mahatratra 40 santimetatra ny hateviny no tratra tao aminy. Araka ny tatitra ihany dia isan-karazany ireo ody gasy ireo satria ny moara fotsiny dia nahatratra 30 mahery no tao aminy. Tranga efa notaterina teto ny fisian’ny andiana tovovavy tratry ny aretina hafahafa toa ambalavelona tamin’iny faritra andrefana iny ka izay no nahafantarana ity rangahy ity satria isaky ny mihetsika ny aretin’ireo zazavavy dia voatonona ao foana ranamana. Raha ny fitantaran-dRasoloherilalao Henri, tompon-janaka dia mizara roa ny aretina. Ny iray dia ilay mitrifana ka tsy voatazona ireo tovovavy ary ny iray kosa dia malemy toy ny maty rehefa mihetsika ka amin’io fotoana io dia miresaka amin’ilay rangahy ireo tovovavy nefa tsy mifankahita aminy akory.
Teo no niaingan’ny fanadihadiana ka nahitana izao vokatra izao. Ireto tovovavy ireto moa dia saika mpianatra avy amin’ny renivohitry ny distrikan’i Mandoto avokoa, amina sekolim-pinoana iray ao an-toerana. Avy any Morafeno Kaominina Anjoma-Ramaritina kosa no fiavian’izy ireo. Fantatra fa tovovavy iray kilasy aminy no tena mamely azy ireo ka any amin’ilay mpimasy no maka ny ody ataony amin’ny mpianatra izay tiany asiana. Mody hindramany zavatra ireo ankizy dia iny no entiny any amin’ilay dadarabe. Notantarain’ireo ankizy efa somary salama fa rehefa amin’ny fotoana hihetsehan’ny aretina dia misy karazan-javatra mampijaly azy ireo toy ny Kalanoro, Vazimba, ary Lehilahy miisa fito be izao, izay manakenda sy manindrona antsy sy midaroka ireo zazavavy kanefa tsy hita maso amin’io fotoana io. Niisa fito moa ireo ankizivavy tratr’ity ody gasy ity. Efa nisy ny sitrana fa mbola miisa efatra ireo tsy salama saingy tsapan’ireo ray aman-dreny fa tonitony ireo ankizy hatramin’ny nahasamborana ity mpanao ody gaigilahy ity, izay fantatra fa karazan’itony “Grand maître” mihitsy. Fantatra fa manana mpanao ody maromaro mihitsy any amin’iny faritra andrefana iny izy. Efa natolotra ny fampanoavana moa izy ny alarobia 11 mey 2011 teo ka ho hita eo ny tohin’ity tantara ratsy ity.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.