Actualités

Disadisana mpivady Maty nananton-tena ilay rangahy


  • Alatsinainy 29 Aogositra 2022

Mahazo vahana ny disadisana mpivady eny anivon’ny fiarahamonina eny. Ankoatra ny olana amin’ny fitaizana ny ankizy dia anisan’ny antony iray miteraka izany ihany koa raha araka ny fanadihadiana natao teny anivon’ny

Fokontany iray ny resa-bola. Hatramin’ny niakaran’ny vidin-tsolika teto amintsika mantsy ka nampidangana ny vidin’ireo kojakoja maro samihafa ilaina amin’ny fiainana andavanandro dia tsy maharaka intsony ny vola eo am-pelatanan’ny tsirairay, antony miteraka fifamaliana eo amin’ny mpivady. Mandeha avokoa ireo karazam-pitenenana maharary ao an-tokantrano ao noho izany raha misy mifampikasi-tanana mihitsy ny sasany. Ho ana tranga iray teny Manakambahiny, Boriboritany faharoa teny ohatra dia fantatra fa vokatry ny disadisa nisy teo amin’izy mivady raha ny tombana nataon’ny fianakaviana no nanosika ilay lehilahy hananton-tena. Maty noho izany mihitsy ity farany, tranga niseho tamin’ny faran’ny herinandro teo. Marihina moa fa anisan’ny antony mety mitarika amin’izao famonoan-tena hataon’ny iray amin’ny mpivady izao ihany koa ny fampirafesana. Efa miroso amin’ny fanadihadiana ny mpitandro ny filaminana.
Nangonin’i Pati
Legende : Manahirana matetika ny zava-mitranga eny anivon’ny fiarahamonina amin’izao fotoana.
(Sary fanehoana)
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Mahay ny mpianatra Malagasy
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

« Sachet » plastika ho

  • Fiatrehana
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

ny mety ho loza indostrialy

  • Savorovoro
  • Zoma 09 Oktobra 2026

any anaty Minisitera sasany

  • VOVONANA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

TANTANA

  • FITANTANAN
  • Zoma 09 Oktobra 2026

-DRAHARAHAM-PANJAKANA

  • FAKAN-KEVITRA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

NASIONALY HO AN’NY VEHIVAVY

Hijery ny tohiny
FTT