Namaly ireo mpamokatra sy mpilalao sarimihetsika malagasy izay milaza hiala ao amin’ny OMDA ka hanangana ny “Office Malgache du 7čme Art” ny tale, Ranjarivo Haja.
Momba ireo trano mpamokatra sarimihetsika manokana dia nambarany fa tsy mpikambana ao amin’ny OMDA velively izy ireny. «Ny zon’ny mpamorona irery ihany no sahanin’ny OMDA ny fakana azy sy ny fitsinjarana azy, araka ny lalàna, ka raha ho an’ny tontolon’ny sarimihetsika dia sokajiana ho mpamorona ka mahazo anjara amin’io zo io ny réalisateur, ny scénariste, ny adaptateur, ny compositeur sy ny maro hafa». Ny 10%-n’ny vidin’ny kapila natonta no alain’ny OMDA amin’ny mpamokatra mialoha ny hivarotana ny vokatra handoavana io zo io. Momba ny «hologramme» indray dia ny «arrêté interministériel» mitondra ny laharana 31.074/2010 no mamaritra ny fampiharana azy. Voalaza mazava ao amin’io didim-pitondrana iraisan’ny ministera 6 io fa tsy maintsy asiana “hologramme” avokoa rehefa kapila rehetra ka ny OMDA no misahana ny fametahana azy. Ilay 70Ar alaina isaky ny kapila no ividianana ny “hologramme” any Angletera, hoy hatrany ny talen’ny OMDA. Nomarihiny fa mihatra ny sazy ho an’ny mpamokatra mandika ny lalàna manan-kery. Araka izany, tsy afa-miala amin’ny “hologramme” ireo mpamokatra tsy faly amin’ny asan’ny OMDA ireo.
Momba ny fanenjehana ity rafitra ity ho mitsentsitra ny hatsembohan’ny trano mpamokatra amin’ny alalan’ny fanenjehana ny vokatra orijinaly toy izay nahazo ny Meva Production amin’ilay horonantsariny “Rafozantsarotiny faha-6” dia nambaran-dRanjarivo Haja fa tsy mitombina izany. Nohazavainy fa nisy tokoa tany Fianarantsoa ny fanangonana kapila 30 isa tamin’io horonantsary io mba hasiana “hologramme” rehefa nifanarahana tamin’ny Meva Production. “Niaiky rahateo ny tomponandraikitr’ity trano famokarana ity fa azy ireo tokoa ireo kapila ireo fa hadino ny nametaka ny hologramme”, hoy ny fanazavan’ny tale. Marihina fa tsy anjaran’ny OMDA ny manome alalana na tsia ireo mpisehatra rehetra eo amin’ny tontolon’ny sarimihetsika hanangana rafitra hiaro ny asa famoronany amin’ny alalan’ny “Office Malgache du 7ème Art” fa an’ny ministeran’ny kolontsaina. Hisy indrindra ny fihaonan’ireo mpamokatra sarimihetsika amin’ny ramatoa ministra rahampitso alarobia antoandro.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.