Ity tokoa no tonga amin’ilay fitenenana hoe ny lehibe no miady ka ny zaza no voaporiporitra. Mpiasa 3.000 mahery tokoa mantsy no zary tsy an’asa noho ny disadisa misy eo amin’ny orinasa afaka haba Kwok Hing eny Andranomena sy ny First Immo tompon’ny trano nofainy.
Ny fanapahan-kevitry ny Kwok Hing tsy hanofa intsony ilay trano no fototry ny olana. Tapitra amin’ny volana jona izao ny fifanaraham-pifanofana telo taona azo havaozina (2010-2013) teo amin’ny roa tonta. Nandefa taratasy fampahafantarany io fialany tsy ho mpanofa io telo volana mialoha ilay orinasa afaka haba saingy nolavin’ny First Immo izany. Milaza ity farany fa tokony ho natao teo anatrehan’ny vaditany izany.
Araka izany dia mbola mitohy ny fifanaraham-panofana. Noho ny fitoriana nataony dia nakatona ny orinasa Kwok Hing, nogejaina ny entany sy ny volany any amin’ny banky, tsy mahazo mivoaka koa ireo kaontenera telo ao Toamasina ary asaina mandoa onitra iray tapitrisa dolara amin’ny First Immo izy. Tafalatsaka eo afoavon’ny raharaha ny mpiasa ka mijoro ho mpiaro azy ireo ny mpisolovava Razafinjatovo Willy na Maitre Olala. Nilaza moa ity farany fa tsy ara-dalàna ilay fanakatonana orinasa amin’izao raharaha izao satria “tsy misy ordonnance sur requête na référé mahazaka manao izany”. Mifanome fotoana eny amin’ny lapan’ny fitsarana amin’ireo mpiasa ireo ny tenany anio alatsinainy mandritra ny fotoam-pitsarana izay voalaza fa hamoahana io “ordonnance” io.
Yves
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.