Diniky ny samy Malagasy

> Matahotra ny fodian-dRavalomanana koa


  • Alarobia 06 Novambra 2013


Mihetsika avokoa izao fikambanana rehetra izao, manao izay tsy hisian’ny fihodinana faharoa amin’ny fifidianana filoham-pirenena, eo anatrehan’ny fahazoan’ny kandida Robinson Jean Louis tohanan’ny filoha teo aloha Marc Ravalomanana isam-bato be indrindra araka ny valim-pifidianana tsy feno sy vonjimaika. Tsy nisy nanam-po ny mbola fankafizan’ny Malagasy maro ity filoha teo aloha ity ireo mpanao politika miafina ambadiky ny firaisamonim-pirenena ka hany hery ny fanaovana litania ny tsy hisian’ny fifidianana fihodinana faharoa. Tahotry ny ratsy natao tamin’ny fanonganana azy teo amin’ny fitondrana tamin’ny 2009 sy fangalarana ny fananany no antony. Anjaran’ireo “Diniky ny samy Malagasy” indray izao no milaza fa hamboly krizy ary tsy vahaolana velively ny firosoana amin’izany fifidianana fihodinana faharoa izany. Miantso Ny FFKM handray fanapahan-kevitra hentitra sy haingana ny profesora Rajaonarivelo Paul mpitondratenin’ny Diniky ny samy Malagasy. Tsy ny mpilatsaka hofidiana na ireo nofidiana ihany no tompon’andraikitra amin’izay mety hiseho fa ny mpitondra fanjakana indrindra, hoy izy.

Yves

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Savorovoro
  • Zoma 09 Oktobra 2026

any anaty Minisitera sasany

  • VOVONANA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

TANTANA

  • FITANTANAN
  • Zoma 09 Oktobra 2026

-DRAHARAHAM-PANJAKANA

  • FAKAN-KEVITRA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

NASIONALY HO AN’NY VEHIVAVY

  • Actualités
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Salon international de l’Habitat faha-27

  • Fifehezana
  • Zoma 09 Oktobra 2026

ny mekanika fiara

Hijery ny tohiny
FTT