Foana tanteraka ny efitrano malalaka etsy amin’ny ministeran’ny taozava-baventy Anosy izay tokony ho nandraisana ny fivorian’ny tomponandraikitra misahana ny hetra eto an-drenivohitra sy ireo mpivarotra ambongadiny.
Tahaka ireo mpamongady avy eny amin’ny boriborintany voalohany ny alatsinainy tolakandro teo dia tsy nipoitra indray koa ireo namany avy amin’ny boriborintany faharoa sy fahatelo omaly. Niandry vasoka ireo tomponandraikitra saika hanazava momba ny antony ilana ny fampiharana ny faktiora amin’ny raharaham-barotra sy handray koa ny hetaheta na sosokevitra avy amin’ireo mpamongady. Raha ny fahitana azy dia tsy miraharaha ity fivoriana ity mihitsy ireto farany na dia efa nisy aza ny fanentanana sy fampilazana natao.
Nangataka ny hanemorana ny fampiharana ny faktiora amin’ny vanim-potoana mampilamina ny raharaham-pirenena rahateo ny solontenan’ny mpivarotra nandritra ilay fihaonana niaraka tamin’ny tale jeneralin’ny hetra sy ny varotra anatiny. Hita ho kivy noho ny zava-misy kanefa tsy afa manoatra ny chef de centre fiscal, Rakotoson izay tokony ho nanao ny famelabelarana. “Mbola sahirana amin’ny asa fitadiavana angamba ry zareo ka tsy laharam-pahamehana ho azy zareo ilay fivoriana. Hanohy hatrany ny fanentanana anefa izahay satria izay adidinay ao amin’ny sampandraharahan’ny hetra”, hoy izy. Tsara ny manamarika fa ny antsasamanilan’ireo mpivarotra ambongadiny manana vola maty 50 tapitrisa ariary miasa eto amin’ny faritry ny renivohitra dia tsy mandoa hetra avokoa, izany hoe efa fahazarana ho an’ny maro ny tsy fanefana ny adidy amin’ny fanjakana. Rehefa tsy mahomby eto an-drenivohitra ny sampandraharahan’ny hetra dia hidina any amin’ny faritra indray ka amin’ny 16 mey izao no manomboka ny fanentanana.
Yves
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.