Dinan’i Melaky sy vono olona

> Karohina mafy i Fohara amin’izao


  • Sabotsy 08 Martsa 2014

Araka ny loharanom-baovao marim-pototra voaray dia karohin’ny fitsarana sy ny mpitandro ny filaminana amin’izao i Fohara lehiben’ny Dinan’i Melaky izay lehibena dahalo taloha nivadika sy niova fo noho ny vono olona nataony sy ny mpiara-dia aminy ny taona 2013 ka nampahazo vahana ny fitsaram-bahoaka izay tsy miraharaha ny mpitandro ny filaminana sy ny tompon’andraiki-panjakana intsony.

Anisan’ny anenjehana an’i Fohara sy ny namany ny fanaovana fitsaram-bahoaka, ny fanafihana ny fiara 4x4 an’ny Telma ho any Andranovao, ny 27 oktobra 2013, ny nitifirana tamin’ny basim-borona ka nahafaty an’i Linemy tao Tambohorano ny andron’io ihany izay nolazaina fa nangalatra ny volan-drainy 150 000 Ariary, Randria izay nosoketaina fa nangalatra omby.

Tsimatimanota

 

 

Araka ny loharanom-baovao hatrany dia heloka iampangana sy hanenjehana an’ity lehiben’ny dina ity ihany koa ny raharaha tao Mahafaijijo sy tao Antsalova izay nanodinkodinana omby sy fanamparam-pahefana ary fandrahonana olona ho faty, ka namoahan’ny fitsarana ambaratonga voalohany ao Maintirano «mandat d’emmener» ho an’i Fohara ny 17 desambra 2013 sy ny 20 febroary 2014. Tsy hotanisaina eto intsony ny fangalana vola tamin’ny olona tsy manan-tsiny. «Mihevi-tena ho mpanjaka manana hery manokana i Fohara ka mandidy manapaka ary lasa fitaovana fampihorohoroana sy famonoana olona ary fampisehoana hery ny dinan’i Melaky taty aoriana ho an’izay tsy manaraka azy», hoy ny fanamafisan’ny loharanom-baovao.

Manana olona ambony sy mpiaro matanjaka i Fohara ka toy ny rano atondraka an-damosin-gisa fotsiny ireny tatitra samihafa ataon’ny lehiben’ny mpitandro filaminana any an-toerana mitanisa ireo zava-dratsy vitany, nefa tsy nisy ny fampiharana ny sazy sy ny fisamborana. Asa aloha ity «mandat d’emmener» indray mitoraka ity. Raha ny tsilian-tsofina heno farany dia miafina eto an-drenivohitra ity lehiben’ny Dinan’i Melaky ity. Marihina fa voararan’ny lalàna ny fitsaram-bahoaka sy ny fananganana fanjakana kely. Tany tan-dalàna i Madagasikara.

 

E.R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Tahina Bonheur
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Nohelohina 4 taona sazy mihatra,

  • KAOMININA AMPITATAFIKA
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

18% monja ireo mponina

  • Hentitra ny PRRM
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Atsaharo ny kolikoly, mankahery

  • Kolikoly
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

amin'ny asam-panjakĂ na

  • MAHAVELONA
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

FOULPOINTE

  • HAINTRANO
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

GOAVANA TAO ANOSIBE AN’ALA

Hijery ny tohiny
FTT