Tato ho ato dia tsikaritra ho mahazo vahana any amin’ireo faritra voasokajy ho Faritra mena ny dinan’ny fandriampahalemana.
Dinam-paritra no fiantso mahazatra azy io, izay amin’ny ankapobeny dia ny Fokonolona no nandrafitra azy mba hifampifehezana, indrindra hanaraha-maso ireo olon-dratsy amin’ny tanàna sy handraisana fepetra amin’izay tratra mandika ny dina. Efa mampihatra azy io ny any Melaky, Menabe, Ihorombe sy iny Atsimo Atsinanana iny raha anatin’ny fanentanana ny ao Amoron’i Mania, na izany aza faritra maro no mihevitra hiroso amin’ny fampiharana ny dinan’ny fandriampahalemana. Ahitam-bokatra ny fampiharana azy io amin’ny faritra sasany, na dia mifanipaka amin’ny lalàna sy ny zon’olombelona ihany aza ny fampiharana ny andininy sasany ao anatiny, toy ny famonoana ho faty amin’ny fanapahan-doha izay tratra mandika ny dina.
Izay eo ihany fa ny fisian’ny dina dia mitory ny tsy fahavitan’ny mpitandro ny filaminana an-tsakany sy an-davany ny andraikiny tokony hiaro ny vahoaka sy ny fananany ary vao mainka mampitombo ny ahiahin’ny vahoaka ny fidiran’ny foloalindahy amin’ny raharaha politika, izay nibaribary tamin’ny fanambarana nataony ny talata 14 jona 2011 teo. Ny fianteheran’ny Fokonolona amin’ny dina ihany koa dia mitory ny tsy fitokisany ny olon’ny Fitsarana. Maro ihany tokoa mantsy izay dahalo sy mpanao ratsy tratran’ny fokonolona izay nefa mazàna dia votsotra ho azy izy ireny rehefa tonga eny amin’ny Fitsarana. Tsosotra moa ny fanazavana azo fa hoe tsy misy mpitory, ka tsy hita izay vesatra hanenjehana ilay dahalo na dia efa mihatra aman’aina aza ny fisamboran’ny Fokonolona azy ireny. Efa ho lava izy ity, ka dia ny fitsaram-bahoaka na dina no ampiharin’ny Fokonolona.
Jean D.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.