Hiverina hiaka-tsehatra anio alina etsy amin’ny Taxi be Antanimena ny mpanakanto,
Din Rotsaka, rehefa elaela tsy heno nandritr’izay volana maro izay. Tsy ireo mpankafy ity tompon’ny salegy motro ity hatramin’izay ihany, raha ny fanazavany, no sarihiny hankafy ny mozika ataony fa hitondra zava-baovao ho an’ireo mpankafy taty aoriana koa ny tenany. Nanana ny toerany teo amin’ny tontolon’ny mozika mafana Malagasy moa i Din ary efa nahazo ny amboaran’ny mpampitsinjaka salegy mendrika ihany koa nandritry ny “festival de l’océan indien” natao tatsy La Réunion koa ny taona 1999, raha nisolo tena an’i Madagasikara. Manantena ny tenany fa ho “Ravoravo” araka ny lohantenin’ny hirany ireo mpankafy amin’ny fiverenany amin’ity alina ity.
J. Mirija
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.