Actualités

Didy-Ambatondrazaka Tovolahy nahalafo safira 1 miliara dia nitapy


  • Talata 24 Aprily 2012

Maresaka tokoa ao Ambatondrazaka noho ilay fitrandrahana safira ao Ambohibe Didy, tanàna 60km mianatsimo atsinanana izay lalana adiny efatra amin’ny fiara tsy mataho-dalana miampy dia an-tongotra adiny valo.

 Misy koa anefa lalana mitsofoka sady akaiky ao Andaingo (RN44) saingy tsy manavanana loatra ny olona. Mirohotra mankany avokoa, tsy ireo mponina eny amin’ny manodidina ihany fa hatramin’ireo avy eto an-drenivohitra sy ireo mpitrandraka avy any Ilakaka. Roa herinandro teo izay no nanombohan’izany. Raha ny ao Ambatondrazaka tampon-tanàna manokana dia efa feno mpiavy ny tanàna, hipoka avokoa ireo trano fandraisam-bahiny ary mandeha hatramin’ny fampanofana trano ka misy mahatratra 600 000 Ariary, isam-bolana, ny hofan’ny efitra iray. Misy aza ireo mivenjivenjy mandany ny alina eny amoron-dalana. Anisan’ireo tsy tara fa efa tonga amin’andiany koa ireo mpivarotena, nisy telo fiara minibus Mazda mihitsy niara-tonga. Efa maro amin’ireo vahiny ry zareo Srilankey, efa 20 taona nitrandrahana tany Ilakaka, no nifindra lasy vao nahare ny zava-misy ao Ambohibe-Didy. Tsy mbola vita mora ny fandehanana any amin’ny toeram-pitrandrahana, 20 000 Ariary isan’olona ny saran-dalana amin’ny traktera ary 60 000 Ariary amin’ny moto. Raikitra ny fanararaotana any an-toerana satria efa misy mahasahy mivarotra sigara 1000 Ariary ny tokana, iray alina ny sakafo atoandro… mandeha ny bizina e !

Tsy nahazaka ny onjany

Nalaza tao Ambato tao fa nisy ny faran’ny herinandro teo ny tovolahy vao erotrerony nahita vato sarobidy izay lafony iray miliara Ariary. Na ilay vahiny nividy aza tsy nanana io vola io feno ka nomeny ilay tovolahy hatramin’ny fiara 4x4. Tsy nahazaka izany fiovana tampoka izany ranamana ka nanomboka nivika. Ankoatra izay, maro ireo olona manana asa ara-dalàna na ireo mpampiasa mihitsy no maka fialantsasatra amin’ny toeram-piasany mandeha mitrandraka vato. Ireo mba manankatao mampiasa volany manangona tovolahy karamaina ka ny vato azo tsy maintsy amidy amin’io mpampiasa io. Misy mihitsy amin’izany ny fanaraha-maso akaiky sy fisavana ireo mpiasany. Efa midangana tsy tana intsony koa ny vidim-piainana ao Ambato tampon-tanàna. Efa tafakatra 20 000 Ariary ny trondro tsy dia vaventy iray koveta kely eo amin’ny 2kg eo. Hisy fiantraikany goavana ity fitrandrahana vato any Didy ity atsy ho atsy ary hanova sy hanimba ny fiainan’ireo tantsaha izay tsy hahazo tombontsoa amin’ny fitrandrahana vato. Ara-tantara izay maresaka any an-toerana dia nisy vao tsy ela izay ilay vehivavy bevohoka novonoina tamin’ny fomba feno habibiana, nalaina ny voamason’ny zaza tao ankibony natao soroana namoahana ireo vato sarobody ireo ka nampisy horohorontany izay heno hatrany Ambatondrazaka. Tsy voasakana intsony izao fitrandrahana gaboraraka izao na dia efa feno mpitandro filaminanana aza any Didy satria efa rakotra olon-tsotra sy olobe ary vahiny ny tanàna.

Hery Rabe

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Sekertera jeneraly
  • Alakamisy 07 Mey 2026

vaovaon’ny Minisiteran’ny jono

  • Pr Jonah Ratsimbazafy
  • Alakamisy 07 Mey 2026

"Ny fizahantany dia afaka

  • Raharaha ENMG
  • Alakamisy 07 Mey 2026

« Ampiharo ny lalàna ! »

  • Fitrandrahana solika
  • Alakamisy 07 Mey 2026

any amin’ny Plateau Mahafaly

  • ZAZA 5 TAONA
  • Alakamisy 07 Mey 2026

NISY NAMONO TANY MANDRITSARA

  • ANKILILAOKA-RN 9
  • Alakamisy 07 Mey 2026

Sarona ny tambajotra mpitrandraka hazo tsy ara-dalana

Hijery ny tohiny
FTT