Actualités

Didimpoitra faobe Lahikely 31 no indray natao tao amin’ny CSB II Namontana


  • Alarobia 20 Jolay 2016

Ankizy 31 no vita hasoavana omaly maraina teny amin’ny CSB2 eny Namontana, andiany voalohany amin’ny hetsika «Didimpoitra Faobe» maimampoana,

 

karakarain’ny Kaominina Antananarivo Renivohitra ho an’ny Boriborintany Fahefatra. Notolorana akanjo malabary sy kilalao samihafa ny ankizy voafora, miampy paty avy amin’ny orinasa WingsFood mpanohana ity asa sosialy ity. Nisolotena ny Ben’ny Tanàna Lalao Ravalomanana ny Delegen’ny Boriborintany Fahefatra Ratsisetraina David Aimé, notronin’ny mambra ao amin’ny Kabinetra sy mpiara-miasa ao amin’ny Kaominina. Mbola hitohy hatrany manerana ny Boriborintany enina ny hetsika satria ankizy 1.200 eo no kendrena hisitraka ny hasoavan-jaza hatramin’ny faran’ny volana aogositra izao. Fitsimbinana ireo fianakaviana sahirana ara-pivelomana no tanjon’ny Ben’ny Tanàna Lalao Ravalomanana, izay tompon’ny hevitra nanatanterahana izao asa sosialy izao, amin’ny maha Reny azy.

 

Nangonin’i Jean D.

 


Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • TanĂ nan'Antananarivo Renivohitra
  • Alatsinainy 02 Novambra 2026

Mila fanapahan-kevitra politika

  • AMBOHIDRAPETO
  • Alatsinainy 02 Novambra 2026

ATSIMONDRANO

  • Tale
  • Zoma 30 Oktobra 2026

mpanatanteraky ny ONTM

  • Taorian’ny
  • Zoma 30 Oktobra 2026

fandevenana an-janany

  • Creative Minds
  • Zoma 30 Oktobra 2026

Madagascar andiany faha-3

  • CENTRE
  • Zoma 30 Oktobra 2026

SEMBANA MIJORO

Hijery ny tohiny
FTT