Tena olana mihatra isam-baravarana mihitsy amin’izao ny tsy fahampian’ny jiro sy rano vatsian’ny orinasa JIRAMA.
Naneho ny heviny mifandraika amin’izany ny filoha teo aloha Didier Ratsiraka ka mambarany fa tsy tokony hanana olana mifandraika amin’ireo isika raka raha notazonina sy nokojakojaina hatrany ny toho-dranon’ Andekaleka, Sahamadio ary Namorona araka ny fikasany. Tsy nisy nanohy ny asa vita hoy izy ary vokatr’izany dia orinasa vahiny no lasa hanao ny asa ary omentsika vola hofan-jiro. Mikasika ny rano manokana dia notsiahiviny ihany koa fa fantson-drano an’arivony kilometatra no vitany, ny fitaterana ny rano avy any Mandrare hanavotana ireo any atsimo, ny fanamboarana lava-drano ary ny impluvia. Samy tsy nisy nanohy avokoa ireo hoy hatrany izy. Toraka izany koa ny lafiny fanabeazana izay nanambarany manokana fa anisan’ny sehatra tena nahitana zava-baventy nijoro tamin’ny fotoana nitantanany. Anisan’ireny ny fananganana oniversite 1 isaky ny Faritany, ny lisea 1 isaky ny Fivondronana, ny CEG 1 isaky ny Firaisana ary ny EPP 1 isam-pokontany. Notanisaina ihany koa ny fampianarana arak'asa vitsivitsy toy ny INSCAE, INTH, ENI, ny akademia Ny Antsika sekolin’ny baolina kitra voalohany tao Antsirabe izay nipoiran’i Faneva sy Carolus...Nivoitra ireo nandritra fiarahabana nahatratra ny taona vaovao ity filoha teo aloha ity no sady filoha mpanorina ny antoko AREMA. Nitarika izany ny filankevitry ny olon-kendry. Nampahatsiahivina nandritra izany moa fa ny antoko AREMA dia hankalaza ny faha-45 taonany amin'ity taona ity. Manana ny maha izy azy ny antoko hoy izy ary nahavitabe teto amin’ny tany sy ny firenena.
Pati
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.