Actualités

Didier Ratsiraka Mahita famatsiam-bola goavana


  • Alatsinainy 20 Jona 2016

Fitsidihana voalohany nataon’ny Amiraly Ratsiraka sy ramatoa vadiny an’i Toamasina ny tamin’ny sabotsy lasa teo.

 

 Fiaramanidina manokana  no nitondra ireo delegasionina. Nahoraka indray ny  “Oie ! Oie !” sy ny “Rombo, Rombo !”. Niresaka fiainam-pirenena ny Amiraly, milaza fa manana fandaharanasa ahitana famatsiam-bola goavana.

 

Boky mena

“Fahazarana amin’ny Malagasy ny mikorontana sy manakorontana. Ny olana mantsy dia misy ireo mihevitra fa izy ny tompon’ny marina 100% ary manasoketa olona fa izy ireto indray no diso 100% eto amin’ny firenena. Izay fiheverana izay no miteraka tsy fanarahan-dalàna misy ka izao fisavoritahana sy fifampigadrana izao hatrany no misy”, hoy ny Amiraly Ratsiraka nandritra ny fahatongavany tao Ambalamanasy. Niitatra aza izany raha tonga tao amin’ny kianjan’i Soavita nanaovana ny lahateny, satria nomarihan’ny amiraly fa “ny boky mena sy ny faritany mizaka tena dia tena mbola velona ary hampiharina tsy ho ela. Io fandaharan’asa matotra miainga ifotony io no nahatonga ny fandrosoan’i Madagasikara toy izao, ary nandritra ny fitondrako, tsy mbola nisy izany lisitra mainty azon’ny Air Madagascar, ny Notam ho an’ny mpanao politika, ny Ist ho an’ireo mpandraharaha”, hoy i Didier Ratsiraka.

 

Cyber-criminalité, îles éparses…

“Azo harenina tsara izao olana misy eto amintsika izao, saingy mila vonona amin’ny tena fihavanam-pirenena sy fifankatiavana marina. Ny vy anefa tsy mikitrana irery mahatonga ny olana”, hoy ny Amiraly. Nahazo ny anjarany koa ny mpanao gazety malagasy, satria amin’ny amiraly Ratsiraka, dia anisan’ny mahatonga izao fisaritahana misy ara-politika izao ny ataon’ireo mpanao gazety “sasany mpibizina”. Amin’Atoa Ratsiraka Didier Ignace dia tena ilaina eto amin’ny firenena ho arofanina ho an’ny Malagasy tsirairay ny lalàna momba ny “cyber-criminalité” lany farany teo. Niantso ireo mpiara-dia aminy koa ny Amiraly ho vonona, fa hisy ny tetikasa goavana isam-paritra hatao tsy ho ela antsoina hoe “T – R – J – F – F – F – F.”, na “Trano – Rano – Jiro – Fahasalamana – Fahadiovana – Fifankatiavana – Fifaliana”. Tsiambaratelo ny famatsiam-bola sy ny fotoana hanombohana azy, fa io ny tetikasa entin’ny Arema manomboka izao miditra amin’ny fiainam-pirenena tsy ho ela. Ankoatra izay, tsy adinon’ny amiraly koa ny resaka ny “Iles Eparses” izay nilazany fa “ andao raha sahy,  masi-mandidy amin’ny taniny ny vahoaka Malagasy”. Hita tamin’izao lanonana tao Toamasina izao ireo mpiara-dia teo aloha Atoa isany, Dr Jean Jacques Seraphin, Pr Ange Andrianarisoa, Pr Mangalaza Eugene, Jean Omer Beriziky, Pierrot Rajaonarivelo, Roland Ratsiraka, Elysée Ratsiraka.

 

Rakoutou

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Tanànan'Antananarivo Renivohitra
  • Alatsinainy 02 Novambra 2026

Mila fanapahan-kevitra politika

  • AMBOHIDRAPETO
  • Alatsinainy 02 Novambra 2026

ATSIMONDRANO

  • Tale
  • Zoma 30 Oktobra 2026

mpanatanteraky ny ONTM

  • Taorian’ny
  • Zoma 30 Oktobra 2026

fandevenana an-janany

  • Creative Minds
  • Zoma 30 Oktobra 2026

Madagascar andiany faha-3

  • CENTRE
  • Zoma 30 Oktobra 2026

SEMBANA MIJORO

Hijery ny tohiny
FTT