Ofisialy izao fa ho tonga eto Madagasikara ny alakamisy 18 aprily maraina ho avy izao ny amiraly Didier Ratsiraka sy ny fianakaviany.
Nanamafy izany omaly ny profesora Ange Andrianarisoa lehiben’ny delegasion’ny ankolafy Ratsiraka. Manomana fitsenana makotrokotroka an’i Deba eny Ivato sy ny manodidina ny ankolafy Ratsiraka sy ny mpikatroka Arema amin’io alakamisy io. Tsy tena mbola fantatra mazava hatreto ny fandaharam-potoana fa ny nambaran’ny Pr Ange Andrianarisoa fotsiny dia hanatrika ny dinika karakarain’ny FFKM eny amin’ny CCI Ivato i Didier Ratsiraka, mifanandrify indrindra amin’ny fahatongavany ny fanombohan’io dinika io, ka azo eritreretina fa mety tonga dia hivantana ao amin’ny CCI Ivato izy.
Fantatra koa fa mankasitraka ny datim-pifidianana ny ankolafy Ratsiraka araka ny fanazavana voaray omaly ihany ary efa nanentana ny olony mba hanamarina ny anaran’izy ireo ao anatin’ny lisi-pifidianana satria handray anjara amin’ny fifidianana ny Arema. Heverina, araka izany, fa ho fantatra amin’ny fahatongavan’ny Amiraly izay mety ho kandidan’ny Arema na ny ankolafy Ratsiraka. Somary nanaitra kely ihany moa izy ity, satria tsy nanaiky ny tondrozotra ny ankolafy Ratsiraka, tsy nety nanasonia azy, tsy nety niditra tao anatin’ny tetezamita, kanefa izao dia milaza fa mankasitraka indray ny fifidianana ; sa ve efa mahazo toky ny amiraly Ratsiraka fa tena hahavaha ny krizy marina ny dnika ataon’n FFKM sy ny asa iandraiketan’ny FFM ? Tsara ho marihana ko aloha fa olona niaraka sy nanohana an’i Didier Ratsiraka tamin’ny 2001-2002 ny ankamaroan’ireo nahazo famotsoran-keloka navoak’ilay vaomiera manokana teo anivon’ny fitsarana tampony. Koa raha izay no izy dia efa kajikajy politika avo lenta izany ity ataon’ny Deba sy ny ekipany ity.
Légende: hanao paompy indray ve amin’ny alakamisy ?
RTT
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.