Actualités

Didier Ratsiraka 36 taona lasa izay no naha filoham-panjakana azy voalohany


  • Alarobia 15 Jona 2011


15 jona 1975 – 15 jona 2011 : 36 taona lasa izay no nahavoafidy an-dRatsiraka Didier Ignace ho filoham-panjakana. “Capitaine de frégate” no gradin’ity miaramila avy amin’ny Tafika an-dranomasina ity, ary 39 taona izy tamin’izay. Voafidy tao amin’ny “directoire militaire” hitantana ny firenena izy, notendren’ny jeneraly Gilles Andriamahazo izay nitondra vonjimaika ny firenena taorian’ny namonoan’ny sasany ny kolonely Richard Ratsimandrava ny 11 febroary 1975.

Volana vitsy taty aoriana, 28 aogositra 1975, dia namoaka ny “Boky Mena” i Didier Ratsiraka, mirakitra ny sori-dalana hitondrana ny firenena, izay mifaka amin’ny foto-kevitra sy foto-pisainana sosialista. Nisy ny fitsapan-kevi-bahoaka natao ny volana desambra 1975, nanamafisana ny fahefany. 90%-n’ny mpifidy no nanao ENY tamin’izay ary dia i Didier Ratsiraka no filoham-pirenena voalohany sady hany tokan’ny Repoblika faharoa.

Nangonin’i Jean D.

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Fanirisoa Ernaivo
  • Zoma 02 Oktobra 2026

« Tsy misy valifaty politika !

  • Fitsarana
  • Zoma 02 Oktobra 2026

mangarahara sy manakaiky vahoaka

  • KAOMININA
  • Zoma 02 Oktobra 2026

ANTANANARIVO RENIVOHITRA

  • Trafika
  • Zoma 02 Oktobra 2026

sokatra radiata

  • Taom-pahavaratra 2026-2027
  • Zoma 02 Oktobra 2026

  • AMPITATAFIKA
  • Zoma 02 Oktobra 2026

ATSIMONDRANO 2 taonina isan'andro ny fako

Hijery ny tohiny
FTT