Actualités

Diaben’ny mpanao gazety Sedra ho an’ny Fanjakana


  • Talata 12 Jolay 2016

Hanao diabe mangina, miainga avy eny Ankorondrano miazo an’i Soarano, manoloana ny tsangambaton’ny fahalalahan’ny asa fanaovan-gazety,

ny mpanao gazety anio talata 12 jolay, hanehoana ampahibemaso fa maty “Ra-fahalalahana maneho hevitra” eto Madagasikara. Ity no hetsika lehibe hataon’ny mpanao gazety Malagasy hanehoany firaisankina, na hita mibaribary ihany aza ny fizarazarana, taorian’ny tamin’ny alakamisy 07 jolay nandanian’ny solombavam-bahoaka ilay volavolam-pehezan-dalàna mamono ny fahalalahana maneho hevitra sy ny zo hahazo vaovao. Maro ireo sehatra maneho firaisankina amin’ny mpanao gazety amin’izao hetsika ataony izao. Araka ny filazan’ny komity mpikarakara dia “diabe mangina” no hiseho nefa efa endrika fanehoan-kevitra ihany koa izany, izay midika fa sedra sy fitsapana ny fitondrana, ity farany izay mihirahira sy manindrahindra fa manaja ny fahalalahan’ny mpanao gazety amin’ny alalan’io fehezan-dalàna vao nolanian’ny solombavam-bahoaka io. Hanome fahafahana malalaka ny mpanao gazety hanao ny hetsika ve ny fanjakana sa hampiasa herim-pamoretana ? Ny eo anivon’ny prefektiora mantsy milaza fa “hetsika tsy nahazoana alalana io”, ka nanao “requisition générale” ry zareo, nanetsika ny mpitandro ny filaminana. Midika izany fa dia hiditra an-tsehatra ireto farany. Hanakana ny diabe tsy hiala akory eny Ankorondrano, sa handrava izany eny am-pandehanana ? Mety hafanafana araka izany ny tanàna anio.

Jean D.

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • TanĂ nan'Antananarivo Renivohitra
  • Alatsinainy 02 Novambra 2026

Mila fanapahan-kevitra politika

  • AMBOHIDRAPETO
  • Alatsinainy 02 Novambra 2026

ATSIMONDRANO

  • Tale
  • Zoma 30 Oktobra 2026

mpanatanteraky ny ONTM

  • Taorian’ny
  • Zoma 30 Oktobra 2026

fandevenana an-janany

  • Creative Minds
  • Zoma 30 Oktobra 2026

Madagascar andiany faha-3

  • CENTRE
  • Zoma 30 Oktobra 2026

SEMBANA MIJORO

Hijery ny tohiny
FTT