Diaben’ny fandriampahalemana

> Nampiray ireo vehivavy avy amin’ny firehana samihafa


  • Alatsinainy 23 Septambra 2013

Tontosa ny sabotsy lasa teo ilay Diaben’ny fandriampahalemana nokarakarain’ny Firenena Mikambana sy ny fikambanam-behivavy mpanao ny tambajotra ary ny vovonan’ny fikambanan’ireo vehivavy mpanao politika eto amintsika.

Fikambanana manodidina ny 100 no tonga nandray anjara tamin’izany nosantarina tamin’ilay filaharambe nanodidina ny farihin’Anosy nitsofana kiririoka mikasika ny tokony hametrahana ny fandriampahalemana eto amin’ny firenena. Nampiray ny firehana samihafa ity hetsika ity, anisan’ny nandray anjara mavitrika tamin’izany ny firehana Ratsiraka notarihin-dRazafimalala Marthe. Nambarany fa tena ilaina tokoa ny fametrahana ny fandriampahalemana eto amin’ny firenena noho ny korontana ara-politika misy, antony nanosika azy ireo handray anjara. Ny vehivavy sy ny ankizy mantsy, hoy ihany ity renim-pianakaviana iray ity no tena lasibatra amin’izany hatramin’ny nisian’ny krizy ka nampirongatra tanteraka ny herisetra sy ny fanolanana etsy sy eroa. Ankoatra izay dia notsindriany ihany koa fa fotoana tena mety tokony hametrahana ny fandriampahalemana izao. Betsaka mantsy, hoy izy ireo sahiran-tsaina amin’ny adihevitra politika toy ny mety hisian’ny fifidianana na tsia ka tokony hapetraka aloha ny fandriampahalemana mba hisian’ny demokrasia marina. Notsindriany manokana moa fa ho an’ny firehana Ratsiraka manokana dia tokony hisy aloha ny dinika sy ny fifamelan-keloka vao miroso amin’ny fifidianana.

Pati

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Savorovoro
  • Zoma 09 Oktobra 2026

any anaty Minisitera sasany

  • VOVONANA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

TANTANA

  • FITANTANAN
  • Zoma 09 Oktobra 2026

-DRAHARAHAM-PANJAKANA

  • FAKAN-KEVITRA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

NASIONALY HO AN’NY VEHIVAVY

  • ActualitĂ©s
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Salon international de l’Habitat faha-27

  • Fifehezana
  • Zoma 09 Oktobra 2026

ny mekanika fiara

Hijery ny tohiny
FTT