Fahombiazana ny hetsika Diabe fahanginana ho fiaraha-miory amin’ny fianakavian’ireo niharam-boina tao amin’ny sekoly La Pepite d’or
Ambohimanarina, vokatry ny lozam-pifamoivoizana nataon’ny taksibe ny zoma 29 aprily 2016, ka nahafatesana olona fito, ka mpianatry ny sekoly ny enina tamin’ireo. Finiavan’olon-tsotra te haneho imasom-bahoaka ny hatezerany ary koa hanaraina ny mpitondra handray andraikitra manoloana ny fihoaram-pefy ataon’ny taksibe ny hetsika omaly. Diabe mangina niainga teo Ankorondrano, manoloana ny fiangonana Jesosy Mamonjy, manaraka ny lalana Boulevard de l’Europe mandalo an’Ankazomanga, mihazo an’Andraharo mipaka teny Ambodivonkely misy ny sekoly La Pepite d’or ny dia. Nitomandavana nanasaka ny arabe, nitanjozotra hatrany Ambodivonkely ireo mpandray anjara, akanjo fotsy ambony sy mainty ambany no nisaloran’ny rehetra lahy sy vavy, olon-dehibe, zoky, ray aman-dreny, tanora, ankizy, hita teny avokoa ny sokajin-taona rehetra. Nahitana olona avy amina sehatra maro samihafa koa ny diabe : mpampianatra, mpanakanto, mpanao gazety, dokotera samy nilanja taratasy misy hafatra mivandravandra miantefa any amin’ireo mpamily taksibe. Sorabaventy hita teny ny hoe : « leo mpamily tsy mahalala fomba, atsaharo ny kolikoly, raisinareo tompon’andraikitra isan’ambaratongany ny andraikitra fiarovana ny ain’ny mpandeha ». Tena aoka izay fa aleo ampiharina ny lalàna ary mila tena hentitra, hoy izay olona nanontaniana momba ny gaboraraka fanaon’ny taksibe eto Antananarivo sy ny manodidina. Tena miandry io fomba fiasa hentitra avy amin’ny fitondram-panjakana io ny rehetra ary nilaza fa hanara-maso sy tsy hanaiky lembenana intsony amin’ny hadaladalan’ny mpanao fitateram-bahoaka mba isorohana ny loza. Tsy tazana kosa ny Fanjakana fa nanao tazan-davitra. Mpitsikilo indray aza no nitakosona tao anaty laharana. Nilamina ny hetsika. Hita ho nanampy teny an-dalana ny polisy monisipaly sy skoto…
Légende:Nandray anjara mavitrika tamin’ny Diabe omaly i Gothlieb
Jean D.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.