Actualités

DG Daihoo Nitonona ho Polisy ireo naka azy an-keriny


  • Alakamisy 24 Martsa 2011

Afak’omaly tamin’ny 7 maraina no nisy naka an-keriny teny Ivandry ny tale jeneralin’ny orinasa mpanao lalana Daihoo Corporation.

Araka ny fitarainany dia nitonona ho polisy ny olona roa nanakana azy. Nilaza taminy ireo olona ireo fa tokony ho eny amin’ny biraon’ny polisy eny Tsaralalana ny tenany. Nampiseho “ordre de mission” misy ny laharan’ny fiara nentin’ilay DG mihitsy ireto polisy ireto, araka ny fitantaran’ny niharam-boina. Nanaiky ilay DG ny ho eny Tsaralalana saingy nampandre ny mpiasany tany amin’ny toeram-piasana ny tenany mba hijery azy any amin’ny biraon’ny polisy Tsaralalana. Tonga tany ireo mpiasa kanefa tsy nahita inona. Tokony ho tamin’ny 9 ora sy sasany, afak’omaly ihany, dia tonga tany amin’ny toeram-piasany ilay DG nandeha fiarakaretsaka. Araka ny fitantarany dia nentin’ireo olona roa tany amin’ny toerana iray tsy fantany izy ary tany no navotsotr’izy ireo. Ny fiara sy ny zavatra rehetra tao anatiny dia nolazainy fa lasan’ireo milaza ho polisy ireo avokoa. Nametraka fitoriana teny amin’ny polisy misahana ny heloka bevava eny Anosy ity tale jeneraly ity taorian’izay.

Rakoto Maxime
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Fanirisoa Ernaivo
  • Zoma 02 Oktobra 2026

« Tsy misy valifaty politika !

  • Fitsarana
  • Zoma 02 Oktobra 2026

mangarahara sy manakaiky vahoaka

  • KAOMININA
  • Zoma 02 Oktobra 2026

ANTANANARIVO RENIVOHITRA

  • Trafika
  • Zoma 02 Oktobra 2026

sokatra radiata

  • Taom-pahavaratra 2026-2027
  • Zoma 02 Oktobra 2026

  • AMPITATAFIKA
  • Zoma 02 Oktobra 2026

ATSIMONDRANO 2 taonina isan'andro ny fako

Hijery ny tohiny
FTT