Actualités

DG CNaPS Mamy Rakotondraibe Efa nalefa nitsoaka any ivelany ?


  • Zoma 15 Jolay 2022

Nangingina tsy re intsony ny tohin’ny raharaha CNaPS (Caisse Nationale de Prévoyance Sociale) izay naiditra am-ponja vonjimaika noho ny 16 martsa noho ny raharaham-pitantanana ahiana ho feno afera maloto.

Efa fotoana ela no naharenesana fa tsy eto an-tanindrazana intsony ny Tale Jeneraly Atoa Mamy Rakotondraibe ambony, ary toa manaporofo izany ny nilazan-dRtoa Fanirisoa Ernaivo fa “efa tafaporitsaka any ivelany ny niaraka amin’ny dosie mahasaringotra azy ny Tale Jeneralin’ny CNaPS…». Fampitsoahana tsara rindra nataona minisitra sy sekretera jeneralina minisitera, ary mpandraharaha goavana, raha ny voalazan’io polisianina mialokaloka ara-politika any Frantsa io, izay nanipika fa tsy any France no misy an’Atoa Mamy Rakotondraibe, saingy tsy nolazainy mazava. Nialoha izao, efa nisy ny famoaham-baovao nataona mpanao gazety iray tao amin’ny pejim-baovaony ny 13 mey 2022 teo, fa “… na teo aza ny fandavan'ny fitsarana momba ny ady amin'ny kolikoly ny fanomezana fahafahana vonjy maika LP (Liberté provisoire), dia ny minisitry ny fitsarana mihitsy no nanao sonia namoaka ity voapanga ity am-ponja, hanao asa aty ivelany na MOP (Main d'oeuvre pénale)”. Mbola tsy voatsara izany hoe tsy mbola voaheloka, fa tanana am-ponja noho ny antony ilana azy mahakasika ny raharaha iampangana azy ka tsy tokony hisitraka ny “Main d’œuvre Pénale”, raha ny lalàna no jerena. Ny fitsarana moa no tena afaka mamaly sy miresaka amin’ny antsipirihany momba ity toe-draharaha ity hoe : fanakorontanana saim-bahoaka sa tena marina ilay fampitsoahana ? Andrasana ny fanazavana ofisialy avy amin’ny Fitsarana momba mba ahafahantarana hoe: mbola eto marina ve ny Tale Jeneralin’ny CNaPS Atoa Mamy Rakotondraibe sa efa any ivelany tokoa? Tokony ho ao anatin’ny fotoana fohy izany, ary porofoina fa mbola eto raha toa ka tsy mitombina itony karazana famoaham-baovao itony satria zon’ny olom-pirenena ny mahalala ny tena marina.
Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Rajoharison Félix na Rainidina
  • Alarobia 13 Mey 2026

"Tsy maintsy esorina

  • Christine Razanamahasoa
  • Alarobia 13 Mey 2026

Notendrena amina andraikitra

  • Raobelina Andry
  • Alarobia 13 Mey 2026

Aza omena ny CENI ny.....

  • FIKAMBANAN'NY BEN'NY TANANA
  • Alarobia 13 Mey 2026

Mangataka fihaonana tsy misy

  • Raharaha adina an-tsoratra
  • Alarobia 13 Mey 2026

tao amin’ny ENMG «Niaiky ny adisoana

  • Ravelonanosy Solomon Clovis
  • Alarobia 13 Mey 2026

«Zava-dehibe ny

Hijery ny tohiny
FTT