Actualités

Depiote Ratsivahiny « Sao dia efa tsy rariny ity ataon’ny Jirama ity ? »


  • Alatsinainy 12 Septambra 2022

Miakatra hatrany ny maripana eo amin’ny depiote voafidy tamin’ny anaran’ny vondrona IRD tao Atsimondrano, Andry Ratsivahiny, sy ny orinasa Jiro sy Rano malagasy na JIRAMA.

Vaky vava hatramin’ny tenany mihitsy ny sabotsy teo manoloana ny tsy fahatomombanan’ny famatsiana herinaratra eny amin’ity distrika misy azy ity. Efa tena tsy rariny kosa ilay fahatapahan-jiro, hoy izy, ry JIRAMA. Tena ren’Andriamanitra. In-3 tapaka lavabe. Efa simba ny fitaovana ato. Ianareo anefa tsy sasatra ny omen’ny fitondrana vola, na izahay vahoaka, hoy hatrany ny tenany. Isan'ireo faritra tompondaka amin'ny delestazy raha iny Atsimondrano iny ary maro ireo matetika mitaraina noho ny fahasimban’ny asa fihariana aterak’izany eny an-toerana.
J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Mahay ny mpianatra Malagasy
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

« Sachet » plastika ho

  • Fiatrehana
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

ny mety ho loza indostrialy

  • Savorovoro
  • Zoma 09 Oktobra 2026

any anaty Minisitera sasany

  • VOVONANA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

TANTANA

  • FITANTANAN
  • Zoma 09 Oktobra 2026

-DRAHARAHAM-PANJAKANA

  • FAKAN-KEVITRA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

NASIONALY HO AN’NY VEHIVAVY

Hijery ny tohiny
FTT