Actualités

Depiote Lanto Rakotomanga Voatonotonona amina aferana hazo


  • Zoma 07 Oktobra 2022

Taratasy mitondra ny datin’ny 4 oktobra 2022, fanomezan-dalana hitatitra hazo no hita tany amina mpamily iray rehefa voasava teo amin’ny sakana izy.

Tany Ambatondrazaka no nitrangan’ny raharaha, voatonona ao anatin’ilay taratasy ny solombavambahoaka IRD Mapar Lanto Rakotomanga voafidy teny amin’ny boriborintany faha-2 Antananarivo renivohitra .Raha ny soratra dia mpamily nirahiny hitatitra hazo avy any Ambatondrazaka mankaty Antananarivo ity voasakana ity ary tsy manam-petra ny faharetan’ilay fahazoan-dalana ( autorisation de transport).Raha ny resaky ny avy ao amin’ny ministeran’ny tontolo iainana sy ny fampandrosoana lovainjafy dia tsy nanome afatsy ilay taratasy misy ny anaran'ilay solombavambahoaka ny mpamily ilay fiara tratra nitondra hazo voamboana (palissandre) tao Vohitraivo. Tsara ho marihina fa tsy mbola misy mihitsy ny fisokafan'ny fitrandrahana ny hazo voamboana amin'izao fotoana izao, izay voasokajy ho hazo sarobidy. Ny minisitera irery ihany no afaka manome alalana saingy tsy mbola misokatra izany hatreto aloha. Mazava ny resaka eto fa niditra anya mina fahefana tsy tokony nidirany ity solombavambahoaka ity ary rariny sy hitsiny raha alefa araka ny tokony ho izy ny fanadihadiana ; efa manao izany moa ny mpitandro filaminana sy ny ministeran’ny tontolo iainana raha ny fantatra.Ho hita eo indray ny momba ity raharaha iray mahavoasaringotra manampahefana ity, hipoitra ve ny marina sa holazaina indray fa taratasy hosoka io ary tsy misy idiran’ilay solombavambahoaka. Na ahoana na ahoana ambara anefa dia lojika be raha mandalo fanadihadiana Rtoa Lanto Rakotomamnga ary tokony manome alalana hahafahan’ny mpanao fanadihadiana manao izany ny birao maharitry ny anteniierampirenena, fa tsy sanatria hody fanina na hifampiaro eo dia ilay mpamily no mody ampidirina am-ponja dia mangiana ny raharaha.
Nangonin’i RTT
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Famindrana mpivarotra
  • Talata 12 Mey 2026

eny amin’ny Petite Vitesse

  • ROVAN' AMBOHIDRATRIMO
  • Talata 12 Mey 2026

Hanomboka tsy ho ela ny

  • Mbola tazonina i Naivo Raholdina
  • Talata 12 Mey 2026

« Afera fangalarana tany maro

  • Filazana fa tsy mahazo
  • Talata 12 Mey 2026

mitsabo tena i Rinah

  • TSENA ETSY AMIN'NY
  • Talata 12 Mey 2026

TETEZAN' AMPASIKA

  • Tontolon’ny fitsarana
  • Talata 12 Mey 2026

Tafapetraka ireo tonia mpampanoa lalàna ambony,

Hijery ny tohiny
FTT