Actualités

Depiote Brunelle Razafitsiandraofa “Manjakazaka sy mietraketraka ny olom-panjakana aty”


  • Alakamisy 08 Septambra 2022

Tamin’ny fampahalalam-baovaon’ny fahitalavitra iray no nilazan’ny Depiote Brunelle Razafitsiandraofa izay efa any Ikongo,

fa mbola tafakatra 29 ireo maty vokatry ny tifitra nataon’ny zandary ny 29 aogositra 2022 teo, ary nilazany ihany koa fa tena manjakazaka ny olom-panjakana ka tsy atokisan’ny vahoaka. “Mikasika ireo naratra voan’ny bala naiditra hopitaly dia tafiakatra 29 ireo maty. Tsy vitan’izay, fa mbola nahitana fatin’olona miisa roa maty tamin’io andro io ihany koa tao anaty kirihitra omaly. Nisy ny voatifitra saingy mbola nahatondra tena nisitrika anaty kirihitra. Telo izay ny faty hita tamin’ny ala niala lavidavitra ny lakazerina ao Ikongo”, hoy izy. Efa maherin’ny 40 izany ny olona lavo raha atambatra amin’ireo matin’ny tsy fandriampahalemana, fotoana vitsy nialohan’ilay tifitra. Nahitsy ity depiote ity nilaza fa noho ilay fiarahamonina izay marefo dia tena manao izay danin’ny kibony, manjakazaka ny tompon’andraikitra ara-panjakana ny manam-pahefana. Tsy ny fitsarana ihany, fa izay manam-panafehana tena manjakazaka, mihetraketraka, manao kolikoly mihoampampana, manjaka ny toka-maso aty an-tanin’ny jamba”. Rahampitso zoma maraina izao no hanaovana fomba gasy antsoina hoe:: “fafirano” eo amin’ny toerana nisian’ny rà mandriaka. Miisa 77 kosa ireo gadra efa niverina an-tsitrapo, ary 108 mbola karohana, raha ny vaovao azo.
Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Rajoharison Félix na Rainidina
  • Alarobia 13 Mey 2026

"Tsy maintsy esorina

  • Christine Razanamahasoa
  • Alarobia 13 Mey 2026

Notendrena amina andraikitra

  • Raobelina Andry
  • Alarobia 13 Mey 2026

Aza omena ny CENI ny.....

  • FIKAMBANAN'NY BEN'NY TANANA
  • Alarobia 13 Mey 2026

Mangataka fihaonana tsy misy

  • Raharaha adina an-tsoratra
  • Alarobia 13 Mey 2026

tao amin’ny ENMG «Niaiky ny adisoana

  • Ravelonanosy Solomon Clovis
  • Alarobia 13 Mey 2026

«Zava-dehibe ny

Hijery ny tohiny
FTT