Nandritra ny fandalovany tany Ambatondrazaka dia nijery ifotony ny asa fanamboarana ny kianja Rasolonjatovo ny Depiote Andriamasimanana Auréline.
Nisy ny dinika manokana nifanaovany tamin’ireo komity misahana ny fanamboarana ny kianja sy ireo zavatra mety ilaina ahafahana mamita haingana ny asa. Nambarany fa amin’ny maha Auréline azy no andraisany anjara amin’ny fanamboarana ny kianja Rasolonjatovo fa tsy amin’ny maha solombavambahoaka azy. Nanolotra solika 200 litatra ny tenany ankoatra ny vola izay efa narotsany tany aloha hamitana io kianja reharehan Ambatondrazaka io.
Nomarihany fa manome hasina sy lanja ny fanatanjahantena ny tenany, indrindra tao no nilalaovany fahiny. Nametraka fanamby ny tenany fa tsy maintsy mandroso ny distrikan’Ambatondrazaka avy amin’ny fiarahan’ny rehetra misalahy
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.