Actualités

Demokrasia sy zon’ny olom-pirenena “Tondron’ny fihemorana ny teritery amin’ny fanaovan-gazety”


  • Talata 10 Mey 2022

Naneho hevitra momba ny fanajana ny zon’ny olom-pirenena ny Praiminisitra lefitra teo aloha Atoa Zaza Manitranja Ramandimbiarison.

Nahitsy izy naneho fa isan’ny tondro faobe momba io fanajana ny zon’ny olom-pirenena io ny filaharana momba ny fahalalan’ny asa fanaovan-gazety notaterin’ny RSF (Reporter Sans Frontière). Ratsy indrindra ny naotin’i Madagasikara ho an’ireo firenena aty amin’ny Ranomasina Indianina. Nitotongana any amin’ny faha-98 raha faha-57 tamin’ny taonn-daza, raha toa ka niakatra eo amin’ny faha-13 ny Nosy Seychelles, toerana 3 ihany no very ho an’i Maurice, raha toa ka nahazo toerana iray i Comores, hoy izy nampahatsiahy. Mikasika ny setriny miiba avy amin’ny Minisitry ny serasera sy ny kolontsaina Rtoa Lalatiana Rakotondrazafy momba ny filaharana, dia nomarihin’ity Praiminisitra lefitra teo aloha kosa, fa tsy afaka ny hikipy eo anatrehan’ny fikasana hanakatona haino aman-jery maro izay manana fahasahiana hitsikera ny mpanatanteraka sy ny fahasarotana ara-toekareena izay miantraika ihany koa any amin’ny fahalalahan’ny mpanao gazety ny RSF. Misy akony any amin’ny zo hahazo vaovao ihany koa ny famoahana hanan-kery ny lalàna momba ny heloka an’habaka na « cybercriminalité » aminy. Aminy, maro ny lesoka mbola mila harenina toy ny fahalalan’ny mpanao gazety eo anatrehan’ny Fanjakana, ny tompon’ny orinasan-gazety, ny famakafakana mahaleo tena,… Mila ezaka i Madagasikara mba hanatsarana ny fahavitrihan’ny haino aman-jery mba hisian’ny tena mpanao gazety mirotsaka amin’ny fanadihadiana lalina hanome vaovao ilaina mba hahatongavana any amin’ny demokrasia madio. Ny demokrasia izay mametraka ny asa mpanao gazety ho hery fahaefatra aorian’ny fahefana mpanatanteraka, mpanao lalàna, ary fahefam-pitsarana. Aminy, ny fandrakofam-baovaon’ny haino aman-jery, dia tokony hisy kalitao sy fifandanjana, ary afaka tena mitsikera ny ambaran’ny politisianina, ny antanan-tohatra samihafa, ny orinasa ara-barotra ary ny rafitry ny firaisamonim-pirenena ka ao anatin’ny firindrana ara-porofon-kevitra, ary manana ny antsoina hoe : « légitimité » mazava ho azy.
Toky R
 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Tahina Bonheur
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Nohelohina 4 taona sazy mihatra,

  • KAOMININA AMPITATAFIKA
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

18% monja ireo mponina

  • Hentitra ny PRRM
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Atsaharo ny kolikoly, mankahery

  • Kolikoly
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

amin'ny asam-panjakàna

  • MAHAVELONA
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

FOULPOINTE

  • Mahay ny mpianatra Malagasy
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

« Sachet » plastika ho

Hijery ny tohiny
FTT