Actualités

Delestazy Tsy mahavaha olana ity fitondrana ity


  • Talata 26 Jolay 2016

Miaina delestazy ny tanànan’Ambositra nanomboka ny zoma 22 jolay teo.

 

 Tsy fahampiana solika hampihodinana ireo milina mpihary herinaratry ny Jirama no antony. Ny alahady teo izao dia nandeha ny jiro nanomboka tamin’ny enina ora maraina dia tapaka tamin’ny mitataovovonana. Tamin’ny dimy hariva vao niverina. Tapaka indray ny alahady misasakalina ary tsy niverina raha tsy omaly alatsinainy tamin’ny folo antoandro. Tsy misy valaka amin’izany ny iainan’ny mponina ao Maevatanana, renivohitry ny faritra Betsiboka, any Morondava renivohitr’i Menabe, hatrao Mahajanga renivohitry ny faritra Boeny. Ampahany ireo. Eto an-drenivohitra indray dia kartie maro no tsy misy jiro manazava ny lalam-bahoaka. Milaza ny eo anivon’ny Fiadidiana ny tanàna fa tandrifin’andraikitry ny Jirama io, ary tsy ananan’ny Jirama trosa ny kaominina ka tokony hahatara ny servisy omeny, ny tsy fandriampahalemana anefa efa mampiteny ny moana. Tsy misy fihariana vanona vokatry ny fahatapatapahan-jiro, ireo mpianatra hanala bakalorea voaelingelina amin’ny famerenan-desona sy fanazarana. Ela ihany no nahenoana izay fampanantenana hanafoana ny delestazy nataon’ity fitondrana ity izay, fa ny eo ihany no eo. Tsy mahavaha olana.

Jean D.

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Tanànan'Antananarivo Renivohitra
  • Alatsinainy 02 Novambra 2026

Mila fanapahan-kevitra politika

  • AMBOHIDRAPETO
  • Alatsinainy 02 Novambra 2026

ATSIMONDRANO

  • Tale
  • Zoma 30 Oktobra 2026

mpanatanteraky ny ONTM

  • Taorian’ny
  • Zoma 30 Oktobra 2026

fandevenana an-janany

  • Creative Minds
  • Zoma 30 Oktobra 2026

Madagascar andiany faha-3

  • CENTRE
  • Zoma 30 Oktobra 2026

SEMBANA MIJORO

Hijery ny tohiny
FTT