Actualités

Delestazy tsy an-kijanona Mampijaly ireo mpianatra manao enti-mody ihany koa


  • Talata 13 Septambra 2022

Tsy ny mpiasa sy miasa tena ihany no misedra fijaliana amin’ity delestazy tsy an-kijanona eto amin’ny firenena ity. Ny an’ny faritra sasany mandritry ny 3 ora.

Ny sasany 10 ora. Ny sasany aza moa aman’andro mihitsy, raha ireo fitarainana voaray isan’andro no jerena. Mampijaly ireo mpianatra manao enti-mody ihany koa ankehitriny ity fahatapahan’ny herinaratra lavareny ity. Maro ireo mpampianatra no manome enti-mody amin’ny alalan’ny hafatra miafina anaty tambazotran-tserasera amin’izao andron’ny tekinolojia izao. Efa izay rahateo moa ilay politikam-panabeazana teren-ko masaka ampiharina eto amin’ny firenena na dia mbola iaraha-mahalala aza ny zava-misy. Rehefa tsy vita any am-pianarana ny manome enti-mody ho an’ireo ankizy dia amin’ny alalan’ny MP ao amin’ny Facebook izany no mahita ny tohiny. Tsy voatery hahatakatra finday raitra na fimaso kely, izany hoe, “tablette” avokoa ireo mpianatra ary na manana aza misy amin’ireo fitaovana no hiharan’ny fahasimbana toy ny fitsorahan’ny vatoaratra vokatr’ity delestazy tsy an-kijanona ity. Sady tsy mety hametraka rafitra mifanaraka amin’ny zava-misy eto ve izany ny fitondrana mijoro na eo amin’ny lafiny politika na toekarena na fanabeazana no mbola tsy mahita vahaolana mifanandrify amin’ny olana miseho hatramin’izao ihany koa?
J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Mahay ny mpianatra Malagasy
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

« Sachet » plastika ho

  • Fiatrehana
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

ny mety ho loza indostrialy

  • Savorovoro
  • Zoma 09 Oktobra 2026

any anaty Minisitera sasany

  • VOVONANA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

TANTANA

  • FITANTANAN
  • Zoma 09 Oktobra 2026

-DRAHARAHAM-PANJAKANA

  • FAKAN-KEVITRA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

NASIONALY HO AN’NY VEHIVAVY

Hijery ny tohiny
FTT