Actualités

Delestazy tany amin’ny RN1 Varatra nilatsaka tao Anosizato no antony


  • Alatsinainy 28 Novambra 2022

Raha ny fanazavan’ny Jirama dia nilatsaham-baratra ny « transformateur » iray tao amin’ny toby sous-station

Anosizato ka izay no nitarika fahatapahan’ny herinaratra tany amin’ny tambazotra SWER dia Arivonimamo sy ny manodidina, amin’iny lalampirenena voalohany (RN1) iny sy ny axe Tana-SUD. Tsara ho fantatra fa ny fitsinjarana ny herinaratra amin’ny faritra manamorona ny RN1 miala eo Anosizato, Ampitatafika, Fenoarivo, Alakamisy, Imerintsiatosika, Arivonimamo, Miarinarivo, Analavory tonga hatrany Soavinandriana dia avy ao amin’ity sous-station Tanà-Sud ity avokoa no miainga. Raha ny fanazavana teknika avy amin’ny Jirama hatrany dia mizara roa ny tambazotra mivoaka avy eo amin’ny sous-station Anosizato ka ny voalohany dia ilay 35.000V izay triphasée, iny ilay fil telo tazana mandeha eny an-tsaha sy eny an-dàlana rehetra eny.Ny faharoa kosa ilay antsoina hoe SWER, izy io dia 35.000V ihany koa fa monophasée. Izany hoe fil tokana no mitatitra azy. Ka ny transformateur mitondra an’io fil tokana io no tra-pahavoazana. Efa am-perinasa hatrany moa ny teknisianin’ny JIrama ka omaly alahady dia efa nisy ireo faritra amin’ny RN1 efa niverina tamin’ny laoniny ny famatsiana herinaratra tao aminy tahaka ny teny Ilailava Ankadivory be Ouest sy Soavina.Nisy ihany koa ny fifanatonan’ireo tompon’andraikitry ny Jirama tamin'ny mponina mbola iharan'ny fahatapahana herinaratra tao Antanetimboahangy sy tao Ampasamanatongotra omaly atoandro no nitondrana ny fanazavàna ny zava-misy. Nilamina ny fifampiresahana, hoy ny fampitam-baovao. Tombanana ho tafaverina ao anatin’ny herinandro ny tambazotra SWER, izay mamatsy ireo Fokontany ambanivohitra rehetra fa misy ihany manamorona ny RN1.
Nangonin’i RTT
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Famindrana mpivarotra
  • Talata 12 Mey 2026

eny amin’ny Petite Vitesse

  • ROVAN' AMBOHIDRATRIMO
  • Talata 12 Mey 2026

Hanomboka tsy ho ela ny

  • Mbola tazonina i Naivo Raholdina
  • Talata 12 Mey 2026

« Afera fangalarana tany maro

  • Filazana fa tsy mahazo
  • Talata 12 Mey 2026

mitsabo tena i Rinah

  • TSENA ETSY AMIN'NY
  • Talata 12 Mey 2026

TETEZAN' AMPASIKA

  • Tontolon’ny fitsarana
  • Talata 12 Mey 2026

Tafapetraka ireo tonia mpampanoa lalàna ambony,

Hijery ny tohiny
FTT