Actualités

Delestazy Rahoviana vao tena hivaha ?


  • Alarobia 07 Septambra 2022

Henjana ny fahatapahan-jiro mifandimby eto Antananarivo sy ny manodidina tato anatin’ny roa andro. Mbola misy fahabangana ny vokatra herinaratra vatsiana eto amin'ny Tambazotra Iraisan'Antananarivo,

antony isian'ny fikorontanan'ny famatsiana herinaratra amin'ny toerana sasantsasany, hoy ny Jirama ho an’ny omaly. Misy fiantraikany ihany koa amin'ny famatsian-drano noho ireo toby famokaran-drano sy foibe mpampiaka-tosika miankina amin'ny herinaratra. Isan’ny nambara fa antony fahatapahana moa ny olan’ny milina fahatelo any Andekaleka, raha toa ka nambara ny volana janoary, fa ao anatin’ny 6 ka hatramin’ny 8 volana dia hiverina amin’ny laoniny ny famokarana ao Andekaleka izay nampiana milina faha-4 aza taorian’ny fahamaizana. Voalaza fa efa niverina tamin’ny laoniny ny alatsinainy tamin’ny 10 ora alina, saingy mbola nisy ihany ny fahatapahana tamin’ny toerana maro, ary mbola nisy 5 takelaka ny fampahafantarana novinavinaina fa hisy olana ny famatsiana herinaratra. Taorian’ny fanamboarana tany Andekaleka, voalaza fa 87MW amin’izao ny famokarana, ary rehefa vita mandeha ny milina faha-4 dia hahatratra 120MW izay hahavaha ny delestazin’ny tambajotra RIA. Enga anie mba ho izay tokoa.
Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Mahay ny mpianatra Malagasy
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

« Sachet » plastika ho

  • Fiatrehana
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

ny mety ho loza indostrialy

  • Savorovoro
  • Zoma 09 Oktobra 2026

any anaty Minisitera sasany

  • VOVONANA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

TANTANA

  • FITANTANAN
  • Zoma 09 Oktobra 2026

-DRAHARAHAM-PANJAKANA

  • FAKAN-KEVITRA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

NASIONALY HO AN’NY VEHIVAVY

Hijery ny tohiny
FTT