Actualités

Delestazy Nitroatra indray ny mponin’Itaosy


  • Alarobia 21 Desambra 2022

Raikitra ny hetsiky ny mponina teny Itaosy omaly noho ny delestazy. Tahaka ny mahazatra, nidina an-dalambe

nanakan-dàlana sy nandrehitra kodiarana ireo mponina ny takariva efa madiva ho alina noho ny fahatezerana vokatry ny fahatapahan-jiro lavareny. Tsy vao sambany io, fa efa matetika ny hetsika mahery vaika, saingy mbola misy hatrany ny delestazy, ka mahatonga ny olona hitroatra. Tao anatin’ny fiadiana izay ho tompondaka eran-tany ho an’ny baolina kitra, na nisy aza ny fampanantenan’ny Jirama ny hifehezana ny fahatapahana, na zara fa 28 tamin’ny 64 aza ny lalao nampisitrahan’ny Fanjakana ny Malagasy, dia mbola maro ireo lalao tamin’ireo kely mba azo no tao anaty fahatapahan-jiro. Nampanatena ny Jirama, fa hitohy ny ezaka na tsy ao anatin’ny “mondial” intsony aza, ekena ny fisian’ny olana izay tsy sarotra ny manarina azy, re foana ny hoe: andalam-pahamahana,… saingy matoa tonga amin’izao dia efa tena tsy zakan’ny olona intsony. Efa leo fanazavana sy fitanisana olana lava rahateo ny vahoaka. Betsaka ny fatiantoka ateraky ny delestazy amin’ny fiharian’ny olona, ankoatra ny tsy fahafaha-misitraka azy amin’ny alina. Toa tsy mahataitra firy ny fitondrana intsony anefa izany, efa raisina ho fahazaran’ny olona sy fiainana andavanandro ny delestazy.


Nahatratra ora 6 be izao ny delestazy teny Itaosy omaly izay nahakasika ny tananan’i Bemasoandro, Andranonahoatra ary Ambohidrapeto. Raha araka ny fanadihadiana natao teo anivon’ny JIRAMA dia nisy olona nametraka fibra optika teny amin’iny faritra Ambohidrapeto iny. Voakasika vokatr’izany ny MT an’ny orinasa JIRAMA ka nisy fiantraikany mivantana tamin’ny fanatsiana jiro ireo mpanjifa an’alin-kisa manerana ireo kaominina telo ireo izany.
Toky R sy Pati
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Famindrana mpivarotra
  • Talata 12 Mey 2026

eny amin’ny Petite Vitesse

  • ROVAN' AMBOHIDRATRIMO
  • Talata 12 Mey 2026

Hanomboka tsy ho ela ny

  • Mbola tazonina i Naivo Raholdina
  • Talata 12 Mey 2026

« Afera fangalarana tany maro

  • Filazana fa tsy mahazo
  • Talata 12 Mey 2026

mitsabo tena i Rinah

  • TSENA ETSY AMIN'NY
  • Talata 12 Mey 2026

TETEZAN' AMPASIKA

  • Tontolon’ny fitsarana
  • Talata 12 Mey 2026

Tafapetraka ireo tonia mpampanoa lalàna ambony,

Hijery ny tohiny
FTT