Actualités

Delestazy mety hitohy faran’ny taona Vokatry ny vidin-tsolika 300 miliara tsy voaloa?


  • Alatsinainy 27 Desambra 2021

Tsy nisy tsy nikolay tamin’ny fahatapatapahan-jiro ny mponin’Antananarivo tamin’iny faran’ny herinandro nankalazana ny fetin’ny Noely iny.

 Fankalazana ny fetin’ny noely tao anaty aisim-pito, tena tsy mbola nisy tao anatin’ny 60 taona satria saika nahitana fahatapahana avokoa na andro na alina. Tena tao anatin’ny fety no niseho ny tsy fihetezana rehetra, ary betsaka no niteny ny tsy fiteny mihitsy. Tsy tena misy ny fanazavana ofisialy, fa metetika lazaina fa olana ara-teknika, tsy fahampian’ny rano. Matin’ny fanenjehana sy ny fanomezan6tsiny ny Jirama. Fa inona marina moa izany no anton’ity fahatapahana lava ity ? Nisy ny loharanom-baovao nilaza fa manana olana ara-bola goavam-be ny Jirama ka ahiana tsy hisy jiro ho an'Antananarivo sy ny “réseau interconnecté” ary ireo mampiasa “centrales thérmiques” amin’izao fetin'ny faran'ny taona izao. Tsy misy ny vola hividianana solika kanefa ny “pétroliers” tsy mety manome trosa intsony satria tsy mbola azo ny volany. Manodidina ny 300 miliara ary eo io, raha ny voalazan’io loharanom-baovao io. Efa noresahantsika teto ny ahiahy momba ny faharenesana olana teo amin’ny Fanjakana sy ny Green Yellow ka voalaza fa niteraka fahabangana 22MW. Andro vitsy taorian’io dia nilaza ny Tale Jeneralin’ny Jirama ny Jirama, fa misy fahabangana 21MW ny famatsiana, saingy olan’ny milina no noresahiny, ary nanaovana velirano fa tsy hisy intsony ny fahatapahana amin’ny atoandro satria hampiasaina ny toby mpamory herinaratra amin’ny herin’ny masoandro mamokatra herinaratra 21MW.
NY SOLIKA MANAHIRANA, NY RANO OLANA NOHO NY FAMOTEHANA NY TONTOLO
Ny 70% amin’ny famokarana eto rahateo mbola amin’ny alalan’ny milina mandeha solika, ary 30% no avy amin’ny rano, masoandro,… Milaza ho samy manana trosa mifampiditra ny Fanjakana sy ny mpamatsy solika, saingy mbola tsy voalamina izany matoa mety misy olana amin’ny famatsiana solika, hany ka ny vahoaka no mizaka ny vokany. Ny tosiky ny rano mampiodina ny “sites hydro-électriques” anefa etsy an-daniny midina hatrany sy zara raha misy mihitsy aza. Vokany, tsy ampy be dia be ny famokarana kanefa ny tinady miakatra be. Hany herin'ny Jirama manao, dia manao « opérations pluies provoquées » na fandatsahana orana, mba hampiakarana ny tosiky ny rano hampiodinana ny “centrales hydro-électriques”. 30 hatramin’ny 40 kg ny sira ampiasaina isaky ny manao, ary lafolafo ny hofan'ny fiaramanidina. Tsy dia nahavanona firy anefa ny teto Antananarivo, fa omaly vao somary nisy orana matevina. Vokatry ny « La Nina” any amin’ny Ranomasina Pasifika io tsy fahampian’orana io. Vokatry ny 2019-2020 ny tamin’ity 2020-2021 ity ary mbola ho mafy noho izao ny akony amin’ny 2021-2022. Zara raha nisy 60% ny « taux de précipitations nationals » na ny filatsahan’ny orana tamin’ny 2019-2020, hoy ny teknisianina. Anisan’ny manamafy izany ny famotehana ala. Misedra olana ara-drano daholo ny isam-paritra izao ary mbola ho mafy kokoa izany manomboka izao.
Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Tahina Bonheur
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Nohelohina 4 taona sazy mihatra,

  • KAOMININA AMPITATAFIKA
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

18% monja ireo mponina

  • Hentitra ny PRRM
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Atsaharo ny kolikoly, mankahery

  • Kolikoly
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

amin'ny asam-panjakàna

  • MAHAVELONA
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

FOULPOINTE

  • HAINTRANO
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

GOAVANA TAO ANOSIBE AN’ALA

Hijery ny tohiny
FTT