Actualités

Delestazy manomboka rahampitso Maro ireo miferin’aina sahady


  • Alakamisy 13 Oktobra 2022

Betsaka sahady ireo olona miferin’aina manoloana ny fahatapahan-jiro hisy eto Antananarivo sy ny manodidina manomboka rahampitso zoma.

Ny tena mampanahy ny ankamaroan’ny isan-tokantrano indrindra fa ireo mampiasa fitaovana goavana mivelona amin’ny asa mila herinaratra toy ny vata fampangatsiaka…. dia ilay fiverenan’ny jiro tampoka iny izay ahiana tena hanimba zavatra. Amin’ny andavanandro aza hoy izy ireo efa tena tapitra simba sy may avokoa ny fitaovana mainka moa fa amin’ny fotoana hametrahana fitaovana goavambe ao Andekaleka tahaka izao ? Anisan’ny manahirana ny maro ihany koa ny tsy nanomezan’ny JIRAMA ny fe-potoana hahatapahan’ny jiro sy rano amin’ny toerana iray. Tokony ferana izany hoy ireo mpanao volo mba hahafahana mikatona mihitsy na miandriandry ihany mba tsy hamitahana ireo mpanjifa. Raha antenaina ho ora iray mantsy izany hoy izy ireo dia mety haharitra ora dimy fotoana tokony efa hahavitan-javatra any an-trano nefa hipetrapetrahana fotsiny. Raha tsy handray olona mihitsy indray hoy izy ireo sao dia ora iray ihany dia hiverina ny jiro….Tsy ho an’ireo mpanao volo ihany fa anisan’ny mitebiteby sy miasa saina amin’ity fahatapahan-jiro ity ihany koa ny mpanao gazety. Tsy maintsy amboarina mihitsy mantsy ny fandaharam-potoana hanenjehina ny fotoana tsy hahatapahan’ny jiro mba hamitana tanteraka ny asa raha mbola adin-tsaina hafa eny an-dalana ny fisian’ny fitohanana, ny raharaha miandry any an-tokantrano izay tsy maintsy hatao ao anaty haizina ihany koa….Farany izay tsy kely akory dia ny tsy fandriampahalemana izay tena mampikolay ny maro, indrindra raha vantany vao hariva ny andro.
Pati
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Famindrana mpivarotra
  • Talata 12 Mey 2026

eny amin’ny Petite Vitesse

  • ROVAN' AMBOHIDRATRIMO
  • Talata 12 Mey 2026

Hanomboka tsy ho ela ny

  • Mbola tazonina i Naivo Raholdina
  • Talata 12 Mey 2026

« Afera fangalarana tany maro

  • Filazana fa tsy mahazo
  • Talata 12 Mey 2026

mitsabo tena i Rinah

  • TSENA ETSY AMIN'NY
  • Talata 12 Mey 2026

TETEZAN' AMPASIKA

  • Tontolon’ny fitsarana
  • Talata 12 Mey 2026

Tafapetraka ireo tonia mpampanoa lalàna ambony,

Hijery ny tohiny
FTT