Actualités

Delestazy mampikolay Fa mitady inona mihitsy ny Fanjakana ?


  • Alakamisy 01 Desambra 2022

Zava-doza mihatra aman’aina ny delestazy, ary vao mainka niha nahery vaika taorian’ny talata nisian’ny didy fanagadrana Tale sy didy fampisamborana mpitantana ambony teo aloha sy ankehitriny miisa telo.

Nanaraka izany ihany koa ny ampamoaka mikasika ny Minisitry ny angovo sy ny akoran’afo mifandraika amin’ny raharaha Jirama. Omaly sy afak’omaly, tsikaritra ho niha nahery vaika ny fahatapahana ka asa hoe: mbola olana ara-teknika ihany ve sa efa karazana tsindry ifanaovan’ny mpitantana noho ny gidragidra sy fikorontanana ara-pitantanana ka ny vahoaka no atao takalon’aina? Nialohan’izany dia efa ireny ihany koa ny hetsi-bahoaka tany amin’iny RN1 sy ny manodidina azy, izay nisian’ny vahoaka nidina an-dalambe tao Antanetimboahangy Analavory Itasy, Mandrevo, nitohy tany amin’ny RN43 tany Moratsiazo Ampefy. Misy ny efa tratry ny delestazy heriandro, tapa-bolana tany amin’ireny faritra ireny, ary ho an’ny teto Antananarivo omaly, naharitra am-polony ora maro ny fahatapahana ho an’ny faritra sasany? Efa tsy maharototra ny Fanjakana sy ny mpitondra intsony ve ireny? Nandeha ny filankevitry ny minisitra omaly, tsy nisy resaka jirama na ny kely monja aza. Ny an’ny Filoham-pirenena anefa teny amin’ny CCI Ivato, fahatapahana 5 minitra raha be indrindra nampimenomenonana azy, ka ny vahoaka izany ahoana, moa tsy efa manompa mihitsy? Aiza ny filoham-pirenena Andry Rajoelina eo anatrehan’izany sa dia efa tena lasa jamba sy marenina tanteraka? Mby aiza ilay vava natao tamin’ny aogositra 2018 hoe: mbola tany misy fanjakana ve eto? Tsy misy intsony ve ny delestazy? Mbola misy ve ny fandriampahalemana? Holalaovina sy hoentina hatrany amin’ilay hoe: mila miandry amin’ny 2027-2028 vao ho foana ny delestazy izany?Asa inona vao ho taitra ny Fanjakana eo anatrehan’ny fahatezeram-bahoaka eo anatrehan’ity delestazy lava ity, izay manimba sy mamotika fihariana maro na dia vao ny 15% monja amin’ny Malagasy aza no misitraka ny herinaratra? Vitan’ny kiserasera amin’ny fizarana jiro cobra hatreto? Asa hoe: miandry fandorana kodiarana eny anoloan’ny lapan’Ambohitsorohitra na etsy amin’ny Kianjan’ny 13 may ve vao ho taitra? Voizina sy resahana ny resaka fampiroboroboana ny indostria, fiantsoana ny vahiny handraharaha sy hampiasa vola eto ka haodina amin’ny labozia ve izany? Marina fa resahina ny hoe: tokony hitodika amin’ny famatsiana herinaratra mahaleo tena ireny sehatra ireny fa moa zakan’ny hoenti-manana ve izany? Moa aza hihoriranana ny vidin-tsolika raha hampiasa milina ny orinasa tsirairay?
Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Famindrana mpivarotra
  • Talata 12 Mey 2026

eny amin’ny Petite Vitesse

  • ROVAN' AMBOHIDRATRIMO
  • Talata 12 Mey 2026

Hanomboka tsy ho ela ny

  • Mbola tazonina i Naivo Raholdina
  • Talata 12 Mey 2026

« Afera fangalarana tany maro

  • Filazana fa tsy mahazo
  • Talata 12 Mey 2026

mitsabo tena i Rinah

  • TSENA ETSY AMIN'NY
  • Talata 12 Mey 2026

TETEZAN' AMPASIKA

  • Tontolon’ny fitsarana
  • Talata 12 Mey 2026

Tafapetraka ireo tonia mpampanoa lalàna ambony,

Hijery ny tohiny
FTT