Actualités

Delestazy maharitra rehefa andro ratsy Fa tena tsy ahitam-bahaolana mihitsy ve ?


  • Alatsinainy 25 Janoary 2021

Mitsilopilopy lava ny tokantrano. Delestazy maharitra ora maro no tsy maintsy

 

 

 

sedrain` ny ankamaroan` ireo tokantrano samihafa eto an-drenivohitra indrindra rehefa andro ratsy. Omaly alahady izao ohatra, nisy faritra tapaka herinaratra nanomboka tamin’ny 11 ora atoandro ka hatramin’ny 2 ora tolakandro.Tapaka indray avy eo tamin’ny 3 ora tolakandro hatramin’ny 6 ora hariva.Misy fotoana miverina mitsitapitapy amin’ilay manimba fitaovana. Raha tsiahivina dia efa nanazava ny tale jeneralin`ny Jirama, Vonjy Andriamanga, ny 20 janoary teo, fa “antony telo ny mahatonga fanapahan-jiro lavareny izay nisesisesy tato ho ato: ny fiovan` ny toetry ny andro; ny tsy fahampian` ny tosika avy amin` ireo milina mamokatra herinaratra; ary tsy maintsy miroso amin` ny fanapahan-jiro ny jirama rehefa misy kotroka mba hisorohana izay mety ho hisian` ny fahasimbana eo amin`ny fitaovana ampiasaina”. Mikaikaika ny ankamaroan` ny mpanjifa ary hita taratra amin` ireo fanehoan-kevitra eo anivon` ny tambajotra serasera “Facebook”ny hatezerana vokatr` izay fahatapahan-jiro matetika izany. Misy fiantraikany amin` ny asa aman-draharahan`ireo olom-pirenena izay tsy manan-tsafidy afa-tsy miandry ny rariny isan`andro lava izao. Lasibatra ihany koa ny fitaovan-tokantrano toy ny televiziona, vata fampangatsiana, sns… Misy mihitsy ireo fitaovana no misedra fahasimbanana noho izay fikorontanan` ny herinaratra izay. Na dia nanambara aza ity tale jeneralin` ny JIRAMA fa ity fa fiarovana ny mpanjifa ny fanapahana herinaratra rehefa misy andro ratsy sy kotro-baratra dia ho sanatria izany hiaina izany foana mandrapahatapitra ny fahavaratra? Marihana fa hatramin` ny volana martsa dia mbola mety hisy ny andro ratsy. Manoloana izany, dia mila mitondra vahaolana haingana ity orinasam-panjakana ity mba hisorohana ny mety hisian` ny fitroaran` ny vahoaka. Tsy misy manao fitakiana bontolo eto hoe ataovy mandeha tsy tapaka mihitsy ny jiro fa mba misy fandrindrana na fandaminana asa tokony atao kosa angamba, na fampandrenesana mazava tsara ary re sy hitan’ny rehetra.

Marigny A.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Eliana Bezaza
  • Zoma 16 Oktobra 2026

"Tsy ny PRRM velively

  • JIRAMA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

Misy olana ny TAC1,

  • Pr
  • Zoma 16 Oktobra 2026

Raphael Razakandrainy

  • KAOMININA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

ALASORA

  • KAOMININA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

MIISA 6 AO AMBOHIDRATRIMO

  • Sarivongan’ny
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Filoha Tsiranana

Hijery ny tohiny
FTT