Delestazy lavareny ao Toamasina

> Nampiaka-peo ny fikambanana FITAM


  • Alakamisy 13 Martsa 2014


Nahery vaika ny delestazy tao Toamasina tamin’ity herinandro ity. Raha ny omaly ohatra dia nanontolo andro mihitsy no tsy nisy herinaratra noho ny ambaran’ny Jirama fa fahasimban’ny fitaovana tao “Tamatave IV”, ka nampijoro ny fikambanana FITAM, Fikambanana Tanora Mpianatra – Mpiasa Toamasina. “Aza avela hisakoroka ny olona vao hihetsika ny fanjakana amin’ity herinaratra ity”, hoy Atoa Charles, nitondra teny ny vahoaka mitaraina. Nomarihany fa nandritra ny fandalovan’ny filoha tao Toamasina dia tsy nisy ny delestazy, herinandro taty aoriana miverina ilay fahatapahana ary tena lasa maharitra be satria zara raha mirehitra adin’ny telo ny jiro amin’ny Fokontany sasany. “Inona ny fampandrosoana ho hita amin’izao herinaratra tapaka lava izao? Ny fianaran-jaza tsy mandeha, ny asa fivelomana mikatso, ny asan-jiolahy mirongatra”, hoy hatrany ny FITAM. Aza atao kilalao ny sosialim-bahoaka, fa efa tena mijaly tanteraka ny vahoaka, hoy izy ireo namarana ny fanambarany.

 

 

Rakoutou

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Tahina Bonheur
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Nohelohina 4 taona sazy mihatra,

  • KAOMININA AMPITATAFIKA
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

18% monja ireo mponina

  • Hentitra ny PRRM
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Atsaharo ny kolikoly, mankahery

  • Kolikoly
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

amin'ny asam-panjakàna

  • MAHAVELONA
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

FOULPOINTE

  • HAINTRANO
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

GOAVANA TAO ANOSIBE AN’ALA

Hijery ny tohiny
FTT