Arakaraka ny mampiakatra ny vidin-jiron’ny JIRAMA no toa vao mainka mampahazo vahana ny delestazy ankehitriny. Ankoatra ireo tanŕna maro eto an-drenivohitra izay efa tena velon-taraina tokoa mantsy dia miitatra hatrany Atsimondrano izany ka anisan’ireny Andranonahoatra Itaosy.
Nanomboka ny herinandro teo dia mahatratra ora iray isan’andro raha kely indrindra no iainan’ny isan-tokantrano ny delestazy. Tsy misy andavanandro sy faran’ny herinandro intsony izany fa zary efa lasa fiainana mihitsy. Tamin’ny zoma teo, ohatra, dia tapak’andro maraina tontolo no niainan’ny mponina izany, hany ka voatery nanakaton-trano avokoa ireo cybercafé, mpanao volo, mpivarotra trondron-dranomasina … Ny sabotsy hariva teo indray dia naharitra ora telo izany, izay tafiditra indrindra tao anatin’ny fotoana nijeren’ny mponina sy nanarahany vaovao. Rehefa nanontaniana ny mikasika izany moa ny teo anivon’ny JIRAMA dia tsy nahazoana valin-teny mazava. Tsiahivina fa fanambin’ny filoham-pirenena ny hanafoanana ny delestazy tao anatin’ny telo volana nandritra ny fotoana nanaovany fampielezan-kevitra saingy mandraka ankehitriny tsy hita izay vokany.
Pati
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.