Mitohy ny hetsika fanehoam-pahatezeran’ny mponina manakaiky ny làlam-pirenena voalohany sy ny mifandray amin’izany noho ny delestazy lava.
Vao herinandro latsaka izany teny Fenoarivo Alakamisy, nitohy tany Antanetimboahangy Analavory Itasy sy Mandrevo ny sabotsy lasa teo izay nisiana fandorana kodiarana, ary tsy rava ireo vahoaka raha tsy nanetsehana emmo-reg, izay nampiasa bala fingotra, raha tarafina amin’ny ratra nahazo ny olona. Herinandro no tapaka ny jiro tany raha ny tarainan’ny mponina. Omaly alatsinainy 28 novambra izay fiandohan’ny herinandro, nihetsika ihany koa ny vahoaka tany Moratsiazo Ampefy, any Soavinandriana Itasy, nanao fihetsiketsehana nahery vaika. Raikitra ny fandorana kodiarana sy ny filanjana sora-baventy, hany ka nikatso tanteraka ny fifamoivoizana. Naneho ny hatezerany ireo vahoaka izay nilaza fa leo delestazy, 13 andro, efa ho tapa-bolana, hoy izy ireo. Herinandro eo izay no nilazan’ny fa noho ny fahamaizan’ny “transformateur” eny amin’ny “sous-station” eny Anosizato izay nilatsaham-baratra no anton’ny fahatapahana miazo ny tapany Atsimo hatrany Itasy iny. Ity anefa efa tapa-bolana no lazain’ny mponina fa delestazy tsy nisy jiro. Nilaza ny Jirama afak’omaly, fa efa mamerina miandalana ny famatsiana herinaratra izay mizara roa ka ny iray 35.000V “triphasée” izany hoe: “fil” telo no mitondra azy sy ny tambazotra (réseau SWER) 35.000V izay monophasée, “fil” tokana no mitatitra azy, izay mamatsy ireo Fokontany ambanivohitra rehetra fa misy ihany manamorona ny RN1. Kasaina hafindra eo Alakamisy Fenoarivo ny transformateur iray izay tsy may, mitondra an’io fil tokana io mba hahazoan'ny rehetra herinaratra, ka tombanana ho tafaverina ao anatin’ny herinandro izany, hoy ny fanomezan-toky. Manomboka sesilany ny hetsi-bahoaka izay maneho fa tsy fanazavana sy fitanisana olana lava no tokony hisy, fa fivahan’ny olana. Mila vahaolana maharitra, fa tsy fampanantenana lava, ary tsy afaka hiandry 2027-2028 araka ilay nambara vao tsy ela taorian’ny hoe: afaka 6 ka hatramin’ny 8 volana. Marina fa tsy mora ny manao zavatra saingy mba leo ihany koa ny olona satria efa ho lava. Ny faktiora anefa mitomboka hatrany!
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.