Actualités

Delestazin’ny Jirama Mamotika fiainan’olona maro


  • Alatsinainy 27 Desambra 2021

Tsy misy tsy mitaraina amin’ny delestazy ny rehetra. Miantraika tanteraka amin’ny asa fihariana, ary mamotika zavatra maro

. Hatramin’ny hopitaly aza lasibatra kanefa maro ny fitaovana mila herinaratra, ary iankinan’ny ain’olombelona mihitsy. Ekena fa misy ny milina afaka miodina ho an’ny sasany, saingy mety hisy olana. Ireo fihariana miankina amin’ny herinaratra aloha dia lasibatra tanteraka, ka isan’izany ireo mpanao mofomamy nandritra ny fetin’ny krismasy teo. Ny asan'ireo zanako simba (tapaka jiro) tany antsena. Ny asan'ireo zanako simba (tapaka jiro) teo ampanodinana ireo “crème”,... Ny asan'ireo zanako simba tapaka jiro tao anaty frigidaire. Ireo entana simba tsy mba azo navotana akory. Tezitra tamin-dry zareo ireo “client” tsy nahazo efa niandry fatratra nanomboka 24 desambra, simba ny orin'asa keliny afabaraka 200%. Very vola. Sambany tamin’ny fiainanay ny tsy nandeha nivavaka tany ampiangonana ny 25 desambra 2021 fa nifanampy namita izay tratra nandritra ny jiro mba nandeha avy eo niaraka nanao “livraison”, izaho no mandray ny finday miaritra ny vavan'ireo “clients” satria efa dila ny fotoana nilany ny entana”, hoy ny Raim-pianankaviana iray. Ampahany amin’ny fanehoan-kevitra vokatry ny fatiantoka ara-toekarena ateraky ny delestazin’ny Jirama.
Toky R

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Tahina Bonheur
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Nohelohina 4 taona sazy mihatra,

  • KAOMININA AMPITATAFIKA
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

18% monja ireo mponina

  • Hentitra ny PRRM
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Atsaharo ny kolikoly, mankahery

  • Kolikoly
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

amin'ny asam-panjakàna

  • MAHAVELONA
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

FOULPOINTE

  • HAINTRANO
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

GOAVANA TAO ANOSIBE AN’ALA

Hijery ny tohiny
FTT