Actualités

Dany Rakotoson “Na ny taranantsika aza mila arenina”


  • Alakamisy 27 Oktobra 2022

Manana ideolojia foana ny antoko politika iray, hoy ny mpandinika raharaham-pirenena, Dany Rakotoson. Ny tadiaviny dia ny hananana olona maro tafapetraka any amin’ny antenimieram-pirenena,

ny kaominina, ny antemieran-doholona, hoy izy. Raha mialokaloka aorian’ny fitondram-panjakana izy tsy hanana olona mihitsy. Mila mampiseho fa antoko manana ny maha izy azy izy noho izany. Mahavita zavatra, nanaraka ny fitondrana rehetra teo fa mahaleotena. Tsy sinema ilay izy fa ireny no ataon’ny vazaha hoe “démarquage”. Ao anaty demokrasia isika dia manao izay ho afany ireo filohana antoko hitantsika farany teo ireny. Tadidio fa herintaona sisa dia ho tonga ny fifidianana filoham-pirenena. Ny fanarenana ny firenena moa ilaina foana ho an’ny firenena farany mahantra toa antsika. Na ny taranantsika aza mila arenina. Fanabeazana maha olompirenena no mahatonga ny olompirenena iray tsy mahalala ny andraikiny intsony na hoe fanajana vahoaka sy fianakaviana izany. Tsy tokony ho reraka manarina isika. Ny politika enti-manarina no tokony ho jerena hoe politika fihariana no hitondrana azy na resaka fiarahamonina, fiarovana tontolo iainana sy ny maro hafa ary izay foana no mahatonga ahy hiteny hoe tokony ho fehezina amina fehinkevitra miisa 3 ilay antoko politika marobe. Samy mifidy izay ho arotsany ho filoham-pirenena ny isaky ny firehana aloha dia mba kandida miisa 3 sisa no mifaninana ho fidian’ny vahoaka, hoy hatrany ny tenany.
J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Mahay ny mpianatra Malagasy
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

« Sachet » plastika ho

  • Fiatrehana
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

ny mety ho loza indostrialy

  • Savorovoro
  • Zoma 09 Oktobra 2026

any anaty Minisitera sasany

  • VOVONANA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

TANTANA

  • FITANTANAN
  • Zoma 09 Oktobra 2026

-DRAHARAHAM-PANJAKANA

  • FAKAN-KEVITRA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

NASIONALY HO AN’NY VEHIVAVY

Hijery ny tohiny
FTT