Actualités

Dany Rakotoson “Lasa mpanao asa soa ny mpitondra ”


  • Zoma 25 Febroary 2022

Ny zava-miseho iainan’ny vahoaka Malagasy ankehitriny dia miainga amin’ny tranga any amin’ireo mpitondra ihany, hoy ny mpandinika raharaham-pirenena, Dany Rakotoson.

 Izay ilay hoe avy any ambony ny ohatra, hoy izy. Efa hatry ny ela no nisavoritaka ny vahoaka. Amin’ny resaka fihariana io, fahantrana noho ny tsy fihatsaran’ny fahefa-mividy, ny tsy fandriampahalemana, kolikoly sy ny rehetra. Mahatonga izany voalohany indrindra ny tsy fananan’ny fitondram-panjakana izany atao hoe politika mazava tsara entina hanatsarana ny fiainan’ny tsirairay izany. Rehefa tsy misy izany dia samy manao izay ho afany daholo fotsiny. Ny mpanararaotra manararaotra. Ny mpanao kolikoly manao kolikoly. Ny manam-pahefana manao ny adalany amin’ny fanaparam-pahefana. Hitantsika ireny fanenjehana mpampianatra fanatanjahantena tamin’ny tambazotran-tserasera lasa resabe ireny. Malahelo ny tena mahita ny serasera ao amin’ny fiadidiana ny repoblika. Tsy misy afa-tsy fizarana vary tsinjo izay andraikitry ny mpanao asa soa no anaovan’ny fiadidiana ny repoblika serasera fa tsy misy mihitsy hoe inona no politika mba tsy hisian’ireny intsony satria manjary lasa ohatran’ny hoe mpanao asa soa sisa no asan’ny mpitondra fanjakana eto Madagasikara fa tsy misy politika hanatsarana fiainam-bahoaka. Fanamby tokony hapetraka izao dia hoe andao hatsaraina marina ny fahefa-mividin’ny vahoaka Malagasy, ny resaka famoronana asa, ahoana no hiarovana ireo orinasa efa eo sy ny hanampiana azy ireny tsy hikatonany sy ny maro hafa, hoy hatrany ny tenany ?
J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Tahina Bonheur
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Nohelohina 4 taona sazy mihatra,

  • KAOMININA AMPITATAFIKA
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

18% monja ireo mponina

  • Hentitra ny PRRM
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Atsaharo ny kolikoly, mankahery

  • Kolikoly
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

amin'ny asam-panjakàna

  • MAHAVELONA
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

FOULPOINTE

  • HAINTRANO
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

GOAVANA TAO ANOSIBE AN’ALA

Hijery ny tohiny
FTT